Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mbola voasokajy isan'ireo firenena PMA, isan'ny mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny PNUD omaly... ♦ Hanangana vondrona Parlemantera tsy miankina ireo solombavambohoaka lany tamin'ny fikambanana LAUY FAR... ♦ Mitaky ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena ny ARFM, tsy vahaolana hoy izy ireo ny fanantanterahana ny fifidianana nifandimby... ♦ Tafakatra 900 ireo olona mpanao fivahinianana Masina any LA MECQUE no namoy ny ainy, raha ny loharanom-baovao avy amin'ny AFP Agence France Presse alina... ♦ Mpikambana ao amin'ny C.C.A.T miisa 11, mpitaky ny fizakan-tena nikotrika korontana tany NOUVELLE CALEDONIE no voasambotra omaly...
♦ Nidina ny IDH na ny tondro momba ny fampandrosoana ny maha olona teto Madagasikara, ny taona 2020 sy 2021, noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 maneran-tany... ♦ Nifarana androany ilay atrikasa teknika ho famolavolana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara... ♦ Mampitandrina ireo mpifaninana taminy, ny kandida Randrianasolo Nicolas sady Solombavam-bahoaka amperin'asa any Betroka, mba hampitsahatra ny fanaratsiana sy ny fanosoram-potaka...
♦ Noafahana omaly ny Solombavam-bahoakan'i Tsihombe, Masy Goulamaly, rehefa notazonina nandritra ny 18 andro. Mbola araha-maso ara-pitsarana hatrany anefa ity olom-boafidy ity... ♦ Mety mbola ho maro an'isa eny Tsimbazaza ireo depiote mpanohana ny fitondrana. Tsy mbola hisy ny azon'ny mpanohitra hatao, raha tsy ovaina ny lalàna mifehy ny Antenimieram-pirenena, hoy ny antoko Teza... ♦ Nahazo famatsiam-bola 18 tapitrisa Euros, avy amin'ny Governemanta Alemà, ny fanjakana Malagasy. Famatsiam-bola hanohanana ny tetik'asa fampisitrahana herinaratra ireo faritra tsy mbola misy izany...
♦ Hanomboka avy hatrany anio ny fitsarana ny fanadinana CEPE omaly. Tombanana hivoaka mialoha ny fetim-pirenena ny voka-panadinana... ♦ Tsy ampy ny isan'ny laza adina jeôgrafia nandritra ny fanadinana CEPE teny amin'ny CEG Betsimitatatra. Tamin'ny 4 ora vao nanomboka ny fiatrehan'ny mpiadina io taranja io. Nitaintaina ny ray aman-dreny... ♦ Mikasa ny hanao hetsika manodidina ny kianjan'i Mahamasina indray ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy, amin'ny 26 jona 2024. Tsy ankasitrahan'izy ireo io daty io, ho tsingerin-taona niverenan'ny fahalevovantenan'i Madagasikara...
♦ Hafainganina ny famoahana ny valim-panadinana CEPE. Hanomboka rahampitso ny fitsarana ireo taratsim-panadinana... ♦ Nisokatra androany teny amin'ny kianjan'i Betongolo ilay hetsika Kermesin'ny Fiarovana sy ny Filaminana. Hetsika tafiditra amin'ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-64 niveranan'ny fahaleovanten'i Madagasikara sy ny tsingerin-taona niorenan'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Mikasa hanao hetsika manodidina ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy na ARFM, amin'ny 26 jona 2024...
♦ Taranja efatra no vitan'ireo mpiadina amin'ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, nandritra ity tapany maraina ity... ♦ Moto hatrany amin'ny 200 isa mivezivezy no efa nampidirina valan-tsazy, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Telo andro anio izao ny Pôlisim-pirenena no manao ilay “Opération Dona” an-dalambe ao an-drenivohitra... ♦ Olona mianaka no matin'ny lozam-pifamoivoizana tany Toamasina omaly maraina. Nofaohon'ny Taxi-brousse mpanao zotram-paritra ny Tuc-tuc nisy azy. Mpanampy mpamily no nitondra io fiara io...
♦ Hiatrika ny fanadianm-panjakana CEPE anio, ireo ankizy amin'ny kilasy Taona faha-5 manerana ny nosy... ♦ Miantso ny HCC hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidm-bahoaka ny vondron'ny firaisamonim-pirenena Rohy... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny solontenan'ny mpiasa Malagasy tany amin'ny Fivoriamben'ny OIT tany Genève, ireo mpitarika sendilà hatramin'izao. Notsikerain'ny FISEMARE ny fomba nitondrana ireo solontenan'ny sendikà tany an-toerana...
♦ Miantso ny HCC, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Rohy, mba hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidim-bahoaka, ka tsy hitanila amin'ny famoahany ny voka-pifidianana... ♦ Mpiadina 529.000 no hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, rahampitso... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny mpiasa Malagasy nentina tany Genève, ireo mpitarika sendikà, telo andro aty aorian'ny fivoriamben'ny OIT. Niresaka momba ity tranga ity ihany koa ny FISEMARE androany...
♦ Nankalazaina tamin'ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Masera dimy mirahavavy ao amin'ny fikambanana Fo Masin'i Jesoa no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana, ny sabotsy lasa teo... ♦ Mamafy ny Evanjely, ary miandry amim-pitokiana ny fitombon'ny voa nafafy, io no nivoitra tamin'ny fampianaran'ny Papa François mialoha ny vavaka Angelus omaly...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 1-11)
Tamin’izany andro izany,
dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana
ny sasany anisan’ny Eglizy.
Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.
Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany,
dia nasainy nosamborina koa i Piera.
Andron’ny azima tamin’izay.
Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina,
ka nasainy nambenan’andia-miaramila efatra,
misy miaramila efatra avy;
fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.
Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera
dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.
Tamin’ny alin’ny hamoahan’i Herôda azy,
raha natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Piera,
sady nifatotra tamin’ny rojo vy roa,
ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran’ny tranomaizina,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana
namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina;
nanohina ny tehezan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe:
“Mitsangàna faingana”;
dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy.
Ary hoy ilay Anjely taminy:
“Ataovy ny fehikibonao ary fehezo ny kapanao.”
Dia nataony izany, ka hoy indray ny Anjely:
“Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.”
Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy;
tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely,
fa nataony ho fahitana fotsiny izany.
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy,
dia tonga tao amin’ny vavahady vy fidirana ao an-tanàna;
nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo,
dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy.
Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera ka nanao hoe:
“Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo,
ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjìna Azy fa ho mirana,
ny tavanareo tsy hangaihay;
ity ory velona antso ka novaliany,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo re fa mamy ny Tompo:
ary sambatra ny olona mifefy aminy.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 6-8. 17-18)
Ry zanako malala,
izaho dia mova tsy ny efa haiîdina ho fanatitra sahady,
ary efa antomotra ny andro hialako.
Niady ny ady tsara aho,
nahatanteraka ny fihazakazahana aho,
nitahiry ny finoana aho;
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana,
izay homen’ny Tompo Mpitsara marina ahy amin’izany andro izany,
ary tsy ho ahy ihany,
fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Nilaozan’ny olona aho, nefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy mba hanatontosako ny fitorianteny
sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy,
sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
Hanafaka ahy amin’ny asan’ny ratsy rehetra ny Tompo,
ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra.
Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)
Tamin’izany andro izany,
raha tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo:
“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny Mpaminany.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa,
ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany
dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany
dia ho voavaha koa any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 25, 1-12)
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa tamin’ny volana fahafolo,
andro fahafolon’ny volana,
dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny rehetra;
dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.
Natao fahirano hatramin’ny taona faharaika ambin’ny folo nanjakan’i Sedesiasa ny tanàna.
Tamin’ny andro fahasivin’ny volana, nony efa mafy ny mosary tao an-tanàna,
fa tsy nisy mofo intsony ho an’ny vahoakan’ny tany, dia nobangaina ny tanàna,
dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady,
nihazo ny lalan’ny vavahady anelanelan’ny Manda roa,
akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka;
ny Kaldeanina amin’izany manodidina ny tanàna eo.
Ny lalana mankamin’ny Arabah no nalehan’ny mpanjaka.
Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina ny mpanjaka,
ka trany teo an-tany lemak’i Jerikao;
dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra.
Nony voasambotr’izy ireo ny mpanjaka dia nentiny niakatra ho any Reblà,
amin’ny mpanjakan’i Babilôna,
ka namoaka teny fitsarana momba azy izy ireo.
Ny zanakalahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy.
Rahefa izany, dia nopotsirin’i Nabokôdônôzôra ny mason’i Sedesiasa
ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.
Tamin’ny volana fahadimy, andro fahafiton’ny volana,
taona fahasivy ambin’ny folo nanjakan’i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna,
dia tonga tao Jerosalema Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina mpanompon’ny mpanjakan’i Babilôna.
Nodorany ny tranon’ny Tompo sy ny tranon’ny mpanjaka
mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema;
nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.
Ary noravan’ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay niaraka tamin’ny kapitenin’ny mpiambina,
ny manda mamaritra manodidina an’i Jerosalema.
Nentin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna,
sy ny mpilefa nitolo-tena tamin’ny mpanjakan’i Babilôna,
ary ny vahoaka be sisa rehetra,
fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina
ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6
Teo amoron’ny onin’i Babilôna, nitorovoka izahay,
nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna!
Ny lokanganay nahantonay
tamin’ny hazomalahelo izay teny.
Dia avy ny mpamabo nangataka hira;
ny mpifaoka anay nangata-pifaliana!
Ihirao hiran’i Siôna hoe zahay.
Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona?
Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako!
Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)
Tamin’izany andro izany,
aha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahin’ny vahoaka betsaka.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona,
dia nitsaoka Azy ka nanao hoe:
“Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.”
Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe:
“Mety Aho, madiova ianao.”
Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza,
fa mandehana miseho amin’ny mpisorona,
ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina
mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco