♦ Naaton'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera ny fahafahan'ny Radio Fivoarana ao amin'ny Distrikan'Arivonimamo Faritra Itasy miasa... ♦ Mbola mampiasa ny fomba fanjonoana nentim-paharazana ny 80% amin'ny mpanjono eto Madagasikara, olana ho an'ity sehatr'asa ity ny tsy fisoratan'ireo mpanjono nentim-paharazana ara-panjakàna... ♦ Mangataka ny fanamafisana ny fampiharana ny lalàna sy ny famaizana an'ireo olona tratra manondrana antsokosoko ny zava-manan'aina ny COJEAA na ny Collectif des Organisations de Société Civile des Jeunes Engagées Atsimo Andrefana... ♦ Napetraka ho andro tsy fiasana fa hanomezam-boninahitra farany ny filoha Iraniana Ibrahim Raïssi ny anio Alarobia...
♦ Hitory ireo fandikan-dalàna ataon'ny filoha manao fampielezan-kevitra ankolaka ho an'ireo kandidam-panjakàna amin'ny fitetezam-paritra ataony eny anivon'ny CENI sy ny HCC ny vovonana Firaisan-kina... ♦ Ny fifidianana filoham-pirenena irery ihany no voalazan'ny lalàna fa tokony hiato rehefa misy kandidà mpifaninana maty, miakatra lasa kandidà kosa ny lisitra faharoa mirotsaka ho fidiana manolo ny toeran'ilay kandidà loha-lisitra maty amina fifidianana solombavambahoaka... ♦ Miaina anaty fahantrana avokoa ny 91% amin'ny mponina any Atsimo-Andrefana, Androy ary Anôsy, tokony mandray andraikitra ny fitondrana hoy ny fikambanana maro ao Toliara...
♦ Miantso ny Malagasy hiaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna ny Vovonana Firainsankina. Mandika ny lalàna mifehy ny fifidianana ny Filoham-pirenena, hoy izy ireo, amin'ireo fitetezam-paritra sy fitokanana ataony... ♦ Miandrandra fandriamphalemana maharitra ao amin'ny Distrikan'Ankazobe ny mponina, manoloana ny vokatra sy ny ezaka ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny fampandrian-tany ataony... ♦ Mihamihena tsikelikely ny tantely, tsy eto amintsika ihany fa eran-tany. Manainga ny rehetra hiaro azy ireny ny mpisehatra. Nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Tantely...
♦ Nampitsahatra ny fampielezan-keviny ireo kandidà roa mpifaninana amin'i Mamy Meryson Claver amin'ny distrikan'i Morondava, taorian'ny fahafatesany tampoka omaly maraina... ♦ Kandidà roa no nitsoaka an-daharana any amin'ny distrikan'i Manakara. Milaza ny tsy hanohy intsony ny fampielezan-keviny izy ireo, fa hanohana kandidà hafa... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka ny orinasa JIRAMA androany maraina fa tsy nametra-pialàna ny tale jeneraly vaovao, Rhon Weiss. Manohy ny asa nanendrena azy izy hoy ny fanambaràna... ♦ Mangataka ny hamoahana didy fisamborana ny Praiministra israeliana, Benjamin Netanyahou ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny fitsaràna iraisam-pirenena...
♦ Nodimandry tampoka omaly maraina ny kandidàn'ny vovonana Firaisan-kina any amin'ny Distrikan'i Morondava. Andrasana ny fanapahan-kevitra horaisin'ny CENI sy ny HCC noho izao voina izao... ♦ Hanao hetsika famotorana mitety vohitra ny mpanao famotorana eo anivon'ny fisaràna noho ny raharaha fakàna an-keriny any amin'ny distrikan'Anjozorobe. Mobla mitohy ny fanadihadiana hoy ny tonia mpampanoa lalàna... ♦ Somary nangingina raha mitaha ny amin'ny alatsinain'ny Paka ny fialan-tsasatry ny alatsinainin'ny Pantekôty omaly. Nahasarika mpitsangatsangana na izany aza ireo toeram-pialam-boly indrindra ny tao an-drenivohitra...
♦ Manaitra ny olom-pirenena hanapaka ny rafi-panjanahana an'i Madagasikara ny Antenimieran'ny ray aman-dreny ara-drazana. Kihon-dalana amin'izany ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny fanambaran'izay ireo omaly... ♦ Niakatra fampanoavana teny amin'ny PAC 67ha omaly ny ben'ny tanànan'Antsiranana. Nitolo-batana teny amin'ny Brigady misahana ny heloka bevava teny Anosy mialohan'izay, noho ny raharaha hanenjehina azy... ♦ Ben'ny tanàna telo, sy mpitandro filaminana maromaro no nosamborina, voarohirohy noho ny raharaha fakàna an-keriny sy asan-dahalo any amin'ny distrikan'Anjozorobe... ♦ Namoaka didim-panjakàna mampiantso ireo vonona hanatevina ny tafika ny filoha okraniana, hiatriehana ady...
Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...
♦ Namoaka hafatra ny FFKM noho izao fetin'ny Pantekôty izao. Voaresaka ao ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana amin'ny 29 mey... ♦ Manaitra ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe amin'ireo fandikan-dalàna amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Be loatra ny olona matin'ny fiakaran'ny tosi-drà aty amin'ny tany andalam-pandrosoana. Miantso ny rehetra tsy hanao hatsirambina ny fitsaboana ho an'ireo manana tosi-drà ambony ny Fikambanana MAEVA... ♦ Efa tsy voafehin'ny fanjakàna intsony ny korontana amina kartie maromaro any Nouméa renivohitr'i Nouvelle Caledonie, noho ny toe-draharaha politika. Olona 5 ireo efa namoy ny ainy hatramin'ny omaly...
♦ Manaitra ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny KMF/Cnoe, handray andraikitra amin'ireo fandikan-dalàna misy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Fifidianana tsara omana, handraisan'ny rehetra anjara no antoky ny filaminana, hoy ny Filohan'ny CENI, tamin'ny fanokafana ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana delegen'ny kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, teny Alarobia androany... ♦ Miteraka fahafatesana olona maro aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny fiakaran'ny tosi-dra ambony, raha ny tatitry ny OMS...
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
♦ Nahitana fahasimbana ny fitaovana fitoeran'ireo antontataratasy saro-pady hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ho an'ny Distrikan'i Vohipeno. Nitondra fanamarihana momba izany ny rantsamangaikan'ny CENI any amin'ny Faritra Fitovinany... ♦ Ho hentitra amin'ny fanasaziana ireo mihoa-pefy amin'ny fetin'ny Pantekôty, ny minisitera tompon'andraikitra, miaraka amin'ny ATT sy ny DGRS... ♦ Misy hatrany ny hambana lehibe mahazo ireo mpitarika sendikaly eto Madagasikara. Tsy eken'izy ireo anefa ny teritery sy ny ramatahora...
♦ Efa azon'ireo kandidà, na ny solontenany, alaina eny anivon'ny Distrika misy azy manomboka izao, ny lisi-pifidianana izay nofaranana ny 15 mey 2024. Natao izany mba hanajana ny mangarahara, hoy ny CENI... ♦ Hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana mahefa, momba ny ambarany ho fandikan-dalàna ataon'ny Filohan'ny Repoblika amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, ny Vovonana Firaisankina... ♦ Nitombo hery ilay rivodoza Ialy, saingy mbola lavitra an'i Madagasikara. Vinavinaina ho levona an-dranomasina izy io amin'ny fiandohan'io herinandro io...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco