♦ Nandefa hafatra ho fankaherezana ny vahoaka Malagasy sy ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, mba hahay hifampitsinjo manoloana ny olana ara-piaraha-monina misy ankehitriny, ary mba hifanaja sy hanaja ny soa iombonana, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nanentanan'ny Papa François ny mpino rehetra, mba hivoaka amin'ny fahasahiranana ka hifoha, hamantatra sy hiarahaba ny Tompo, izay miafina ao anatin'ny toe-javatra mahazatra eo amin'ny fiainana...
♦ Manao antso avo amin'ny herivelona rehetra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy Fiadanana, hampanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny zon'olombelona... ♦ Tsy fifanoherana ny fahasamaihafana fa kanto ho an'ny Eglizy, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava... ♦ Fahatokiana sy fitiavana no hafatra nampitain'ny Papa François ho an'ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy tao Verone, Italie...
♦ Notendren'ny Papa François tamin'ny sabotsy teo, ho Evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Ezaka atao ao amin'ny Distrikan'i Brickaville ny hananganana fiangonana vaovao, noho ny fitombon'ny kristianina ao an-toerana... ♦ Nanentana ny kristianina, ny Paroasy, ny Diôsezy ary ny Firohotana sy ny Fikambanana masina rehetra, ny Fivondronamben'ny Eveka ao Italia, tamin'ny 18 nôvambra 2022, hivavaka ho an'ireo ankizy tsy ampy taona niharan'ny herisetra ara-nofo...
Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19
♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...
Tamin’izany andro izany,
nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa,
dia nijanona nijery teo ny vahoaka,
ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
“Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany,
raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”.
Ny miaramila koa naneso Azy,
ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,
ary nanao hoe:
“Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody,
vonjeo ny Tenanao”.
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra
tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe:
“Ity no Mpanjakan’ny Jody”.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra
izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
“Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”.
Fa nanarin’ilay anankiray izy,
nataony hoe:
“Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra,
saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Ny antsika dia rariny izao,
satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika;
fa ny Azy kosa
tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, tsarovy aho,
rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”.
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminao
fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.
Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Tontosa teny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny 10 hatramin'ny 13 nôvambra 2022 ny Filankevitra Nasiônalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy... ♦ Ny mikasika ny dikan'ny faharetana no fampianarana nentin'ny Papa François, nitarihana ny sain'ny mpino, ny alahady 13 nôvambra 2022, nandritra ny vavaka Angelus... ♦ Mpikambana 150 amin'ireo mpilatsaka antsitrapo iraisam-pirenena, mivondrona ao amin'ny Fédération des Organismes Chrétiens de Service International de Volontariat, no nihaona tamin'ny Papa François, androany maraina...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'Ambanja i P. Donatien Francis Randriamalala, pretra ao amin'ny Fikambanana "Missionnaires de Notre-Dame de La Salette"... ♦ Niarahaba sy nirary soa ho an'i Mgr Donatien Francis, noho ny fanendrena azy ho Evekan'Ambanja, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Manaitra ny mpandray anjara ao amin'ny COP27, manoloana ny fitomboan'ny mpifindra monina vokatry ny fikorontanan'ny toetrandro ny Kardinaly Pietro Parolin, Solontenan'ny Fiketrahana Masina...
Tamin’izany andro izany, nisy nilaza ny Tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy, fa hoy i Jesoa: "Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana". Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?" Dia hoy i Jesoa hoe: "Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy‘ ary ‘efa akaiky ny andro‘, ka aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa mbola tsy ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany". Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: "Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana; hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. Fa alohan’izany rehetra izany ianareo, dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpitondra noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo".
Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Seminarista 76 mirahalahy no natokana ho mpamaky teny sy mpanotrona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, mpiaro ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia ao Faliarivo Antananarivo... ♦ Notanterahana tamin'ny 3 hatramin'ny 5 nôvambra 2022, ny Filankevitry ny Talen-tsekoly Katôlika rehetra avy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Ka Talen-tsekoly miisa 56 no nandray tamin'izany... ♦ Nankalaza ny fetiny ny 6 nôvambra 2022 ny Distrika Misiônera Avaratsena, eo ambany fiarovan'i Masindahy Joany Paoly Faharoa...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco