Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl. 17, 19-24)

Miverena amin’ny Tompo ary mialà amin’ny tsy fahamarinana.

Izay mibebaka, dia eken’Andriamanitra ny hiverenany,
ary izay very fanantenana, alany alahelo.
Mitodiha ny Tompo ianao, ka mialà amin’ny fahotana;
mivavaha eo anoloan’ny tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.
Miverena amin’ny Avo indrindra, mialà amin’ny tsy fahamarinana,
ary ankahalao mafy izay vetaveta.
Iza no hidera ny Avo indrindra, any amin’ny Seoly,
hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra Azy?
Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy,
fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.
Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo!
sy ny fangoraham-pony an’izay mibebaka aminy!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6. 7.

Mifalia ao amin’ny Tompo, miravoa, ry olo-marina.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!

Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany!

Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza;
izaho hodidininao
hiram-pahafahana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika
mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

Amidio ny fanananao, dia avia manaraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany.”

Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:

“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”

Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa
ka nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena
amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”

Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:

“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza àry no mety ho voavonjy?”

Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:

“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 1-11)

Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nanomboka niteny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra,
ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra
toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany:
sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara
nipetraka teo amboniny tsirairay avy,
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra
sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,
araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema,
avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra,
nony nahare izany izy ireo,
dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy,
fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe:

“Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?
Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy
miteny ny fitenin-drazantsika avy;
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia,
Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta,
ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,
na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo,
dia ahoana no samy mandre azy ireo
milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga
ataon’Andriamanitra isika rehetra?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34

Alefanao ny fofon’ainao, ry Tompo, ka mihavao ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.

Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo.
Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo!
Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko:
ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 12, 3b-7. 12-13)

Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika.

Ry kristianina havana, tsy misy afa-milaza hoe:
“i Jesoa no Tompo”,
raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;
maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany,
ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra
izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy,
mba hahasoa ny be sy ny maro.
Fa toy ny maha iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika na Jody na Jentily,
na mpanompo na tsy mpanompo;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa amin'ny Fanahy Masina

Avia, ry Fanahy Masina ô, arotsahy re avy any an-danitra ny tsirim-pahazavanao.

  1. Avia re, ry Rain’ny malahelo,
    Mpizarazara fanomezan-tsoa,
    Avia re, Mpisolo vava anay.

  2. Avia, ry Mpanafaka alahelo,
    Fa maminay e ny honenanao.
    Avia re, Mpamelombelona ô.

  3. Fiadananay raha sendra ka mijaly,
    Fialofanay raha sendra maina andro,
    Avia re, Mpanampitamby ô.

  4. Fenoy ny tsirim-pahazavanao
    Ny fon’izay rehetra mino Anao:
    Avia re, ry hasambaranay.

  5. Zahay anie raha sendra ilaozanao
    Dia zava-poana feno fahotana,
    Avia re, ry Mpankahery anay.

  6. Diovy re ny fo izay feno ota,
    Ka tsofy rano tsy ho karankaina,
    Avia re, sitrano ny fonay.

  7. Lefaho re ny olona maditra,
    Ny matimaty ovao ho maimay,
    Avia re, Mpanitsy dia anay.

  8. Ireny fanomezanao fito
    Omeo anay vahoaka mino Anao,
    Avia re, matoky Anao izahay.

  9. Omeo anay ny hatsaram-panahy,
    Ny famonjena nony miala ety,
    Omeo anay ny hasambaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino;
ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)

Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa: Raiso ny Fanahy Masina.

Ny harivan’ny Paka ilay andro voalohan’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Homba anareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Homba anareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy dia nitsoka
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina,
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hifandimby hanao tatitra amin'ny solombavambahoaka sy hamaly ny fanontanian'izy ireo, manomboka anio ireo ministra isan-tokony... ♦ Mahafantatra ny tompon'antoka tamin'ny fidirana antsokosoko tao amin'ny trano fonenany ny faran'ny herinandro teo, ny filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Lany tao amin'ny asam-baomiera, tsy nisy nitsipaka ary tsy nasiam-panovana, tao amin'ny antenimieran-doholona omaly, ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara... ♦ Nambaran'ny mpitondra Rosiana fa ravan'izy ireo, ireo miaramila avy any Ukraine, tafiditra antsokosoko tany amin'ny faritra Rosiana tany Belgourode...

♦ Tsy hihemotra amin'ny fampihorohoroan azy, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahaso Christine, manoloana ny fitsofohan'ny olona antsokosoko tao amin'ny trano fonenany tamin'ny herinandro teo... ♦ Nirodorodo teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ny firaisamonim-pirenena malagasy. Rodobe nanaovana ady sisika, niantsoana ny mpikambana ao amin'ny CENI mba hanao ny asany araka ny andraikitra sy ny fahefana omen'ny lalàna azy... ♦ Hanamarika ny volana jona amin'ity taona ity ny fanandratana ny vokatra ara-pambolena eto Madagasikara...

♦ Tsy mitombina ny fitakiana tetezamita satria tsy misy krizy pôlitika eto Madagasikara hoy ny solombavambahoakan'Ankazobe. Nambarany fa matahotra fifidianana ny mpnaohitra mitaky izany fitondràna tetezamita izany... ♦ Efa misy ny fanadihadiana ireo olona ambony voatonontonona ho naka vola tamin-dRamatoa Razaivola, raha ny filazan'ny Ministry ny Fitsaràna. Mihatra amin'ny olona rehetra hoy izy ny lalàna amin'ny maha tany tan-dalàna an'i Madagasikara... ♦ Misy fahasimbàna ka voatery najanona tampoka ireo milina miisa 03 mpihary herinaratra any Andekaleka. Ny fiantraikan'izany no hanazavàn'ny Jirama fa mahatonga ny fahatapahan-jiro maharitra sy miverimberina tato ho ato...

♦ Ahiana hikorontana ny famatsiana solika, noho ny tsy fisian'ny fitanterana intsony nanomboka ny sabotsy teo. Nametraka fepetra hiverenany miasa ireo mpitatitra solika matihanina anatin'ny APTH... ♦ Tsy hihoatry ny 10% ny tahan'ny fiakaran'ny vidim-piainana eto Madagasikara amin'ity taona ity, raha ny tomban'ny INSTAT. Hiverina ho marin-toerana ny vidim-piainana amin'ny volana jolay hoy ny vinan'ity ivon-toerana ity... ♦ Nisehoana fipoahana goavam-be tao Mahajanga omaly antoandro. Fipoahana vokatry ny fahamaizana fiara 12isa, niatomboka tamin'ny firehetan'ny fiara "citerne" mpitondra solika tao amin'ny garazy Jovenna Antanimalandy...

♦ Nametraka fepetra mialoha ny hiverenany handray ny asa fitaterana solika ny Fikambanan'ny Mpitatitra matihanina amin'ny solika, APTH, izay efa tsy nampiakatra solika hotaterin'ireo fiarabe, nanomboka sabotsy teo... ♦ Lany nasiam-panovana sy nasiam-panitsiana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara tamin'ny 9 marsa 2023... ♦ Tontosa androany ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana an-dRamatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo...

♦ Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire Saint François de Sales, Analamasôva, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanokatra ny fankalazana ny faha-160 taonany ny Gardes d'Honneur an'ny Fo Masin'i Jesoa maneran-tany, ny tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, omaly... ♦ Iraka isika, hoy ny hafatry ny Eveka ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, nandritra ny fitsidihana pastôraly notanterahany tao amin'ny EKAR Luigi Orione, Distrikan'i Begavo...

♦ Hiady amin'ny hitodihana amin'ny sôsialim-bahoaka ireo Solombavambahoaka amin'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2023 eny Tsimbazaza. Nanamafy izany fangatahana izany ny Solombavambahoakan'i Miarinarivo, amin'izao fivoriana ara-potoan'ny Antenimiera izao... ♦ Mitaraina ireo orinasa mpanfatra sy mpanondran'entana any ivelany fa tsy marin-toerana ny vola aloa eo anivon'ny Fadintseranana. Avo roa heny amin'ny tombam-bidin'ny entana indraindray ny vola alaina hoy izy ireo...  ♦ Mpiadina am-polony no tratra nanao hosoka tamin'ny fanadinana fifaninana andraisana mpiofana ho mpandraharahan'ny fonja ny faran'ny herinandro teo. 12 tamin'ireo tra-tehaka no teny amin'ny foibem-panadinana eny Nanisàna...

Maria, tahaka ny nahateo anilantsika azy nandritra ny fiainantsika manontolo, dia ho eo anilantsika koa izy amin'ny ora hahafatesantsika. Ao amin'ny vavaka angatahantsika aminy, any amin'ny faran'ny Fiarahaban'ny Anjely, amin'ireny fotoana ireny isika dia mangataka aminy handray ny tanantsika sy hanampy antsika hitsangana ka hiazakazaka hanatona an'i Jesoa, Ilay Tompon'ny fiainantsika. Hasivianandro fanomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahasivy.

Maria, izay nisitraka tanteraka ny fiainany ho toy ny fanomezana, dia vehivavin'ny vanim-potoana rehetra, isan'izany ny antsika izao. Tsy mety fo lefy laza izy, tsy mba lazoin'ny fahanterana velively, tsy mety ho lany manja. Afaka tsara mihitsy isika, mihevitra fa eo anilantsika izy mandritra ny sedra mahazo antsika, amin'ny fangirifiriana sy ny tebiteby mianjady amintsika, satria efa niharan'izany koa izy. Izy ankehitriny no mpanampy sy mpanohana azo antoka ho antsika. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahavalo.

♦ Nahena ny isan'ireo taranjam-panatanjahantena hifaninana amin'ny lalaon'ny nosy andiany faha-11. Efa ôfisially kosa fa i Madagasikara handray izany fifaninanana izany ny 25 aogositra hatramin'ny 03 septambra izao... ♦ Nisy olona tafiditra an-tsokosoko teny amin'ny trano fonenan'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Very tamin'izany ny finday fampiasan'ity filohan'andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, izay ifandraisana aman'olona... ♦ Ratsy fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy tamin'ny fiatrehana ny fifaninanana afrikàna "Women's Cup, rugby à 15", tanterahina eto amintsika. Resy nanoloana an'i Kenya ny Maki Ladies tamin'ny lalao voalohany ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...