♦ Nangataka tamin'ireo mpitarika ny tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mba hampitsaharana ny hetsika amin'izay ny filohan'ny filan-kevitra miaramila Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Nilaza ny handefa iraka hanadiady sy hanelanelana momba ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ny SADC, araka ny fanambarana ôfisialy navoakany... ♦ Ahiana hitarika amin'ny fanasaziana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra fitanterana an'habakabaka iraisam-pirenena ny fikatsoan'ny asa eo anivon'ny "Aviation Civil de Madagascar"...

♦ Hisy anio ny fihaonana eo amin'ny filan-kevitra miaramila sy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ; hiroso amin'ny fanovana ireo mpikamban'ny birao maharitra ny eny anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nandray ny fitantanana ny firenena nanomboka omaly ny Kôlônely Michaël Randrianirina noho ny fahabangan-toeran'ny filoham-pirenena sy ny filohan'ny Antenimieran-doholona araka ny fanapahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Solombavambahoaka 130 no nampiato tamin'ny asany ny filoha Rajoelina nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin'ny antenimieram-pirenena, omaly...

Ny evanjely dia vokatry ny toritenin'ny apôstôly mifanentana tanteraka amin'ny olona nanatrika azy ireo ; ohatra ny an'i Masindahy Matio dia nosoratana ho an'ny Jody lasa kristianina tao amin'ny faritr'i Palestine, Masindahy Marka dia nanoratra ho an'ny kristianina ivelan'ny Jody na ilay atao amin'ny teny vahiny hoe Paganochretien. Masindahy Lioka nanoratra ho an'ny Jentily... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Ho raisin'ny foloalindahy fiadidiana iombonana ho an'ny fanavaozana ny fitantanana ny firenena, ho ravana avokoa ireo andrim-panjakàna rehetra... ♦ Nolanian'ny solombavambahoaka teny amin'ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fampihatoana ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina amin'ny asany... ♦ Namoaka fanapahana ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, manoloana ny fahabangàn'ny toeran'ny filohan'ny repoblika sy ny filohan'ny antenimieran-doholona, manendry ny Kôlônely Randrianirina Mickael ho filoham-panjakàna... 

♦ Andrasana na ho raikitra anio na tsia ny fivoriana hanongànana ny filoham-pirenena eny Tsimbazaza. Solombavambahoaka maromaro no efa vonona eny an-toerana, hiatrika izay "déchéance" izay... ♦ Misy amin'ireo gadra pôlitika nahazo famafan-tsazy avy amin'ny filoham-pirenena no efa nivoaka ny fonja, alina. Efa naneho hevitra momba ny fanenjehina azy ny mpanao gazety Fernand Cello ny maraina teo... ♦ Isaina sy harakitra anaty lisitra manomboka izao ireo fitaovam-panjakàna, araka ny fanambarana avy amin'ny Primatiora. Sorohana ny fanararaotana na fakàna tombontsoa manokana amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao...

Ny famaritana ny "hanim-pitoloha na hanina fitoloha" dia nivoatra nifanaraka tamin'ny fotoana, ka eo izay nangonin'ny Pretra misiônera Zezoita Georges Callet, fa eo koa izay araky ny firaiketana nataon'ny Pastora Ravelojaona. Nanodidina ny vanim-potoana nitondran'ny Mpanjaka Ranavalona-II dia noentina nanantanerahana fomba iray, ho an'ny vehivavy misantatra ny fanenomana landy, eo amin'ny zoro firariazana no hitsofan-drano io olona io ary hanomanana sakafo : Akoholahy mena, akondro vokatra, patsa, toho, sira, horirika, vary. Tara-kevitra avy amin'ny hoe fitoloha : fahavelomana, fahafenoana, fahatanterahana, fahatsaràna, fihavahana, famokarana ary fahavononana.

♦ Tsy nametra-pialàna, araky ny andrasan'ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nilaza ny manao "mission" any ivelany izy, araka ny kabary nataony, alina... ♦ Nanangon-tsonia hanongànana ny filoham-pirenena eny amin'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka sasany. Andrasana ny mety zava-misy eny Tsimbazaza anio... ♦ Nakatson'ny SSM nanomboka omaly ny asam-panjakàna amin'ireo Ministera maro ao an-drenivohitra. ny 80% amin'ireo ministera sy sampan-draharaham-panjakàna no efa manatevina ny tolom-bahoaka hoy ireo mpitarika sendikà...

Ireo apôstôly dia nanao toriteny nombana fahatakarana satria efa nandray ny Fanahy Masina, ka afaka nahafantatra sy nahatakatra tsara ny maha izy azy an'i Jesoa. Azo ambara fa Jesoa ara-teôlôjika no ambaran'ny mpanoratra ny Evanjely. Jesoa efa fantany sy azony mazava tsara no ampitainy, efa voafakafaka lalina tsara. Tamin'ny niara-niaina tamin'i Jesoa ireo apôstôly dia mbola tsy nahazo hoe iza marina izy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

• Misy andia-miaramila mirongo fitaovam-piadiana manambana haka ny fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana ny hariva teo, hoy ny Fiadidiana ny Repoblika... • Miisa valo ireo ampahany amin'ny gadra politika nahazo famafan-tsazy faobe, araka ny didim-panjakana voasonian'ny Filohan'ny Repoblika... • Mbola nitohy sy nifanindran-dalana tamin'ny hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny fanambarana samihafa avy amin'ny sendika sy antoko politika...

♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy indray rahalina amin'ny 7 ora ao amin'ny Haino aman-jerim-panjakàna ny filoha Rajoelina Andry, araka ny fampahafantarana nataon'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny vahoaka, hihaino ny vahoaka, hanitsy izay tsy nety tamin'ny fomba fiasa ny zandary araka ny nambaran'ny COMGN voavao nandritra ny famindram-pibaikoana arak'asa ny maraina teo... ♦ Nanao fifonana ampahibemaso ho an'ny vahoakan'Antananarivo mahakasika ny fepetra tsy namelàna ny kianjan'Ambohijatovo ho sehatra nanaovana fanehoan-kevitra ny andron'ny 25 septambra teo ny prefet ny jeneraly Ravelonarivo Angelo...

--- Mitsoka mafy ny rivotra maneran-tany amin’ny fikatsahana ny fiovana izay tarihan’ireo tanora anatin’ny vondrona GEN Z. Ny tao Nepal noniandohan’izany ary tao anatin’ny roa andro monja dia rava tanteraka nyfitondrana tany an-toerana. Niitatra tamina firenena hafa toy ny tao Indoneziasy Maroc ary any Péru ny toe-draharaha ary izao tonga eto Madagasikara izao. Hevitra niraisan’ireo mpanao hetsika, izay notarihan’ny tanora, ny olan’ny fiainana andavan’andron’ny vahoaka, toy ny fahantrana lalina, nefa ny mpitondra migalabona amin’ny harena sy ny volam-bahoaka, ny kolikoly amina sampan-draharaham-panjakana samihafa, ary koa ny fanovan-drafitra manoloana ny olan’ny tontolon’ny fanabeazana sns... 

♦ Tohin'ny hetsika "leo delestazy" : hitohy manrapivalin'ny fitakiana amin'ny fialan'ny filoha Rajoelina, hifampitaona eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey indray anio alatsinainy, ireo mpitolona ary nilaza ny hampikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakàna... ♦ Nahazo lehiben'ny fibaikona vaovao ny avy amin'ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena, nilaza tsy mandray baiko afatsy amin'ireo lehibeny ireo araka izany ny miaramila sy ny zandary... ♦ Noesorin'ireo mpikamban'ny birao maharitry ny antenimieran-doholona tsy ho filohany intsony ny jeneraly Richard Ravalomanana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...