7 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

Manan-danja ny Fiangonana satria ao anatiny no amolavolana ny mpivavaka. Fiombonan'ny Kristiana mifankatia ao anatin'ny finoana sy fanantenana ny Fiangonana. Mampiombona Andriamanitra ; misterin'ny fiombonana ny Fiangonana ary avy amin'Andriamanitra izany, tamin'ny alalan'ny Pakan'i Jesoa Kristy, mampihavana. Izy Jesoa no mpampiombona... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

6 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)

Tsy afa-misaraka amin'ny vavaka ny fampianaran'ny Apôstôly sy ny fiombonana ary ny Eokaristia. Manana ny anjara asany ny vavaka satria mampifandray ny Fiangonana amin'i Kristy Filohany. Niainga avy amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fampianaran'ny Apôstôly ; misy fifandraisana noho izany ny vavaka sy ny Tenin'Andriamanitra. Sady niombom-bavaka no niombom-pananana ireo kristiana voalohany. Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...