♦Andrasana anio eny Alasora ny fanapahan-kevitry ny vondron'ny Kaoperativa mpitatitra UCTU sy ny FMA amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Omena lanja amin'ilay hetsika tsenaben'ny tanora tanterahana eny Mahamasina ireo tanora mpandraharaha ; hetsika izay hifarana anio... ♦ Tsy afa-po amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-tena varira ny fikambanana miahy azy ireo... ♦ Nametra-pialana tsy hitondra intsony ny antokon'ny mpandala ny nentim-paharazana ny praiministra britanika Rishi Sunak...
Hoy ny Papa François : miseho amin'ny asa ny vavak'i Abrahama. Ny mivavaka dia mandrakitra eo amin'ny fiainana sy eo amin'ny tantara ny fiombonana amin'Andriamanitra, mankalaza ireo fahasoavan'Andriamanitra efa natolony. Ny vavaka ataontsika dia tokony hitarika antsika handray ny hafa : ireo tsy manan-kialofana ireo mitsoa-ponenana,izay zava-mitranga manahirana ankehitriny. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
6 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)
♦ Hampitovy tadin-dokanga rahampitso, amin'ny fanapahan-kevitra horaisaina amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika, ny vondron'ny koperativa UCTU sy ny FMA... ♦ Nampahafantarin'ny MNP nanoloana ireo mpiara-miombona antoka androany, ny paikady ao anatin'ny 5 taona... ♦ Tsy afapo amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakana an-keriny ireo olona manana toe-tena varira, ny fikambanana miahy azy ireo...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco