I Masindahy Édouard no tsaroana isaky ny 05 janoary. Teraka teo anelanelan'ny taona 1002 sy 1004 i Édouard. Ny taona 1003, rehefa nanafika an'i Angleterre ny Danois dia nentin'i Emma reniny nandositra i Édouard sy i Alfred rahalahiny, nialokaloka tany amin'i Richard II tao Normandie. Ny taona 1041 dia niverina tany Angleterre izy.

Alahady fankalazana ny nisehoan’ny Tompo na Epifania : Izao tontolo izao no irin’andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ; Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo. Vita ny fetin'ny Noely, mety ho lalovan'ny maro fotsiny ny fankalazana ny Epifania, anefa banga ny Misterin'ny Noely raha tsy hita taratra amin'izao tontolo izao amin'ny Epifania ny Misterin'ny Noely. Ny Epifania dia manipika ny asany eo amin'ny vahoaka manerana ny tany tontolo izay solon'ireo Majy tena. Tamin'ny Noely dia tsy niseho afatsy tamin'ireo mpiandry ondry i Jesoa, fa amin'ny Epifania dia mandray ny olona rehetra eto an-tany izy ; ny firenena rehetra no vonjen'i Jesoa, Mesia ho an'ny olon-drehetra izy...

  • Hiakatra ny vidin-tsolika amin'ity taona 2025 ity. Voalaza fa hisondrotra 200 Ariary isaky ny litatra isam-bolana izany, mandram-pahatongan'ny vidiny tena izy...
  • Hiverina indray ny fisoratana anarana ho an'ireo maniry hisitraka fitsaboana amin'ilay sambo hôpitaly Mercy Ships. Nisy ny dinika niresahana izany omaly tany Toamasina...
  • Anarana miisa 2 no efa mandeha fa mety ho mpanazatra ny Barea. Nitondra fanazavàna ny FMF omaly fa tsy mbola nisy ny famoahana izay ho mpanazatra saingy ho fantatra tsy ho ela...
  • Voafonja an'arivony no nomen'ny fitondràna miaramila any Birmanie famotsoran-keloka. Famotsoran-keloka noho ny fahaleovantenan'ity firenena ity androany 4 janoary 2025...

  • Efa nigadona tao Farafangana omaly hariva ny Eveka vaovao ho an'ity Diôsezy ity. Misy ny akon'ny fitsenana azy tao Manakara sy Vohipeno omaly...
  • Mangataka ny hamelàna ny fidinana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoha lefitra faha-7 eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Ravao ny CENI hoy ny vovonana Firaisan-kina, omaly...
  • Mandrahona ny hanao hetsi-pitakiana ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy. Hetsika noho ny tsy fisian'ny fisondrontan-karama, nefa midangana ny vidim-piainana...
  • Nandamoaka ny fisamborana ny filoha koreana tatsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, omaly. Tomefy ireo mpiambina sy mpanara-dia azy an-jatony ny trano fonenany saika hisamborana azy tao Séoul...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...