Ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara dia faly miarahaba antsika jiaby, tratran'ny Noely sy ny Taom-baovao 2025. Tonga, teraka eo anivontsika i Jesoa. Tonga miara-dia amin'izao tontolo izao, ary miara-dia amin'ny Eglizy. Tonga, teraka ao an-tranon'omby Izy, tranon'omby izay sisin-dalan'ny fiaraha-monina. Mampahatsiaro antsika àry i Jesoa, mba tsy ho tavela, tsy ho adino eo amin'ny sisin-dalana ny ankizy mahantra sy mijaly.

  • Namoaka fanambaràna momba ny fifidianana farany teo ny Transparency International Initiative Madagascar. Fanambaràna milaza fa helokabevava ny fahanginana manoloana ny tranga nisy...
  • Tsy hanaiky ny voka-pifidianana nambara fa natao ao anaty halatra ny Vovonana Firaisan-kina. Milaza ny tsy maintsy handray andraikitra hamoahana ny tena safidim-bahoaka izy ireo...
  • Efa mivolon'andro fety tanteraka ny eto Antananarivo. Hisy ny fahatapahan-dalana ao afovoan-tanàna ao an-drenivohitra ao, araka ny fanambaràna navoakan'ny Kaominina Antananarivo...
  • Tafatsangana omaly hariva ny governemanta vaovao any Frantsa, izay tarihin'ny Praiministra François Bayrou. Tsy dia nisy fiovana ireo ministra mandrafitra azy...

  • Nanambara ôfisialy ny Vondron'Antoko Pôlitika Firaisankina androany teny Bel-Air, fa tsy mankato sy tsy hanaiky ireo voka-pifidianana azo tamin'ny alalan'ny halatra sy hosoka...
  • Tokony manaiky resy izay tsy nahomby tamin'ny fifidianana, hoy ny Vovonana IFI...
  • Vita soa aman-tsara ny fifaninanana handraisana ireo mpandraharaha ny fonja miisa 600. Efa andrasana ny valin'ny fifaninanana...

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...