♦ Hoampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy anio tolakandro ny anaran'ireo ministra handrafitra  ny governemanta Ntsay Christian. Fanambarana avy amin'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nanatitra ny antontan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananana teny amin'ny lapan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy ny député voafidy tao Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary. Ny mpanao lalàna hoy izy no tokony hanaja ny lalàna voalohany... ♦ Hiatrika fivoriambe any Nosy-Be, Faritra Diana, rahampitso ny Infirmiers Malagasy. Miisa 445 ireo mpisandoka ho Infirmier tratra tao anatin'ny 8 volana nitantanan'ny biraon'ny holafitry ny Infirmier ankehitriny...

Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jesoa ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy : mba ampianaro mivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny Mpianany. Voalaza ao amin'i Matio 14, 19 : dia nasainy nipetraka tamin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

22 aogositra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

♦ Paikadim-pirenena vaovao no entin'i Madagasikara hiady amin'ny kolikoly, manomboka ny taona 2025. Misy atrikasa isam-paritra hamolavolana izany... ♦ Nahatratra 4.300 taonina ny lavanila nahondrantsika malagasy tany ivelany tamin'ity taona 2024 ity... ♦ Hajoro ny fikambanan'ny infirmiera aty Afrika. Hisy ny fivoriambe ataon'ny infirnmiera malagasy any Nosibe, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, hanomanana izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...