♦ Manome vahana fanaovan-dratsy sy fiarovana olona ambony ny HCJ hoy ny solombavambahoakan'Arivonimamo. Noraisin'ity olomboafidy ity ohatra ny raharaha Boeing 777, izay mahavoarohirohy olon'ny fitondràna... ♦ Miantso dinika amin'ny Fanjakàna sy ny mpapiasa ny Fisemare, hampiakarana ny karaman'ny mpiasa amin'izao fidiran'ny mpianatra izao... ♦ Misy amin'ireo mpilalaon'ny Barea nanao lalao famaranan'ny CHAN farany teo no efa nisy nividy sahady hilalao any ivelany. Mpilalao roa hafa koa no efa tsiriritin'ireo klioba vahiny hanatevina ny ekipany... ♦ Mihamafy ny fifandonana eo amin'ny AFC/M23 sy ny Fanjakàna Congolais any Nord-Kivu...
Fatra-pandini-javatra ny Ntaolo Malagasy, vokatr'izany fandinihan-javatr izany no amoahany ny ankamaroan'ireo fiheverana mbamin'ny fitsipi-piaina amam-pitondran-tena izay niteraka ireo kolontsaina nampiavaka azy ary mbola ifandovan'ny taranaka amam-para mandraka ankehitriny. Tsy mba nampiasa soratra nenti-nandrakitra ireny kolontsaina ireny anefa ny Malagasy fa tadidivava, isan'ny lahabolana nampitàna izany ny "Angano". Ny angano dia tantara misy fototra marina tany am-boalohany...
♦ Nigadona eto Madagasikara alina ny kabeson'ny Ampanjaka Toeran'i Menabe sy ireo miaramila roalahy niaraka taminy. Hisy ny hetsika fanomezam-boninahitra eto Antananarivo anio... ♦ Hahazo "Bourse Professionnelle" isam-bolana ireo mpilalaon'ny Barea mandram-pahatongan'ny CHAN 2027. Noraisin'ny filoham-pirenena teny amin'ny Lapa-panjakàna Iavoloha izy ireo sy ny fianakaviany avy omaly... ♦ Ahiana ho dibo-drano Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pahavaratra noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera. Titra 42 no azon'orinasa sy olon-tsotra eny an-toerana hoy ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina...
Andriamanitra no mpahary, manana adidy hiahy sy hamelona ary hamonjy ny olombelona izay nohariany Izy. Lavo noho ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny olombelona satria nandika ilay fandraràna (Voankazo voarara). Samy tompon'andraikitra i Adama sy Eva tamin'ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ; isika kristianina ankehitriny raha mitazana fotsiny ny loza mety hahazo ny ralahintsika sy ny namantsika dia meloka... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco