• Hitohy anio eny Tsimbazaza, manomboka amin'ny 10 ora maraina indray, ny fihaonana mivantana eo amin'ireo Solombavam-bahoaka sy ny mpikamban'ny Governemanta, tarihin'ny Praiminisitra Ntsay Christian, rehefa nifarana omaly tamin'ny 8 ora alina... • Mampanahy amin'ny hanomezana ny Jirama ho an'ny sehatra tsy miankina ny nanovana ny sata mifehy ity orinasam-panjakana ity, hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy... • Hotanterahana anio ny fifidianana izay ho solontenan'ny mpanao gazety eo anivon'ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon'olombelona na ny CNIDH. Miisa 8 ireo kandida hifaninana amin'izany...

Raha mampianatra ny Eveka dia miray mandrakariva amin'ny Papa amin'izany fampianarany izany izy ary mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana sy ny Eglizy. Ny Kristianina dia manaja izay fampianarana avy amin'ny Eglizy, miray saina sy miombon-kevitra. Tsy maintsy raisin'ny Kristianina amin'ny fo sy ny saina miaiky tanteraka ny fampianaran'ny Eveka mitondra azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

13 jona — I Masindahy Antoine de Padoue dia i Fernando Martins de Bulhões no tena anarany. Fa ny anarana hoe Antoine dia tamin’izy tao amin’ny tranon-drelijiozy. Teraka tamin’ny taona 1915 tao Lisbonne i Antoine. Miaramila sady andriana moa ny rainy, taranak’i Charlemagne.

• Nafampana sahady ny fifanazavana teny Tsimbazaza teo amin'ireo Solombavam-bahoaka sy ireo mpikamban'ny Governemanta, androany. Nateti-piavy tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny depiote ny delestazy, ny tsy fandriam-pahalemana... • Mampanahy amin'ny hanomezana ny Jirama ho an'ny sehatra tsy miankina ny nanovana ny sata mifehy ity orinasam-panjakana ity, hoy ny Sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy... • Nomarihina androany ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza. Tsy tokony hisy ankizy, na iray aza, hiasa sahady eto Madagasikara, hoy ny Vovonan'ireo fiarahamonim-pirenena miaro azy ireo eto amintsika...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...