Zava-dehibe ny fandraisana anjara sy fanomezan-danja ny tsirairay eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia manana tetik'asa efatra ka isan'izany ny fikarohana sy fikirakirana tahirin-kevitra, mahakasika ny tontolo iainana, ny fampandrosoana lovain-jafy, ny hai-tondra sy ny hai-taky, eo koa ny fampiofanana. Ny fikarohana dia isan'ireo fototra lehibe entina handraisana fanapahan-kevitra mahomby ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena ; fitaovana entina mamantatra ny filàna sy ny zava-misy... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Niakatra 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra, antony mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafo, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Olona roa no fantatra fa voasambotry ny mpitandro ny filaminana, nandritra ny hetsika nataon'ny mponina teny amin'ny Kaominina Alasora omaly, noho ny olan'ny tsy fisian'ny rano... ♦ Miandry fatratra ny famoahan'ny Minisitera mpiahy, ny daty hanatanterahana ny fifaninana handraisana mpirakidraharaham-pitsarana, ny sendikà SGM...

Mbola kely ny ankizy dia tokony ho beazina hahay hifandray amin'ny tontolo iainana manodidina azy. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny sekoly.  Tsy maintsy apetraka ny soatoavina ka izay no tovozina amin'ny hafa. Manampy ny zaza hahay hiara-monina ny fifaneraserana sy ny fifampikasohana amin'ny hafa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

5 aprily 2024 — Zoma amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...