Ny hafatry ny Eveka mikasika ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena dia navoaka ny 25 desambra 1973 : tsy anjaran'ny Eveka sy ny Pretra... ny mibaiko ny kristiana amin'ny tsanga-kevitra pôlitika tokony harahiny na ny antoko pôlitika tokony hidirany na haoriny... Ny hany anjaran'ny Eveka sy ny Pretra dia ny manampy ny kristiana hitsara sy handanjalanja ireny raharaha ireny, mifototra amin'ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

8 desambra 2023 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

♦ Voafidy ho Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an'ny Faritanin'Antananarivo, Andriamatoa Naivo Raholdina. Izy indray no hitana io andraikitra io, tao aorian'ny fodiamandrin'ny Depioten'i Faratsiho, Honoré Rasolonjatovo... ♦ Mangataka ny hamoahana ireo kôlônely roa zanak'i Vakinankaratra, voarohirohy tamin'ilay raharaha ambara fa fikotrehana fanonganam-panjakana, ny fikambanana ivondronan'ny terak'i Vakinankaratra. Nanao fanambarana tamin'ny mpanao gazety izy ireo androany...

♦ Hatolotra hodinihan'ny anteniera mpanao lalàna ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny asa eto Madagasikara. Mbola misy andininy tokony hahitsy nefa ao anatiny hoy ny randrana sendikaly... ♦ Mahaliana ny 52% amin'ny malagasy nanaovan'ny gazety boky pôlitika fanadihadiana ny momba ny pôlitika... ♦ Mamono mpanjono miisa 100 isan-taona ny loza an-dranomasina eto Madagasikara. Ny fiovan'ny toetr'andro tapoka ny an-dranomasina sy ny tsy fahalavorarian'ny fitaovana ampiasaina no isan'ny antony hoy ny mpanjono... ♦ Vahinin'ny filoha rosianina Vladmir Poutine any Rosia ny filoha iraniana Ebrahim Raïssi. Isan'ny horesahan'ny roa tonta ny zava-misy any Gaza...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...