23 aprily — I Masindahy Georges dia teraka tao Cappadoce avy amin'ny fianakaviana kristianina. Miaramila manamboninahitra tao amin'ny tafika romana izy ary ny amperora Dioclétien no nanondrotra azy ho eo amin'ny laharana ambony indrindra tao amin'io tafika io.
Amafisina amin'ny finoana noho ny Sakramentan'ny fankaherezana ny fifamatorana misy eo amin'ny Kristianina iray sy ny Eglizy, mameno azy amin'y hery manokana ny avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia dia sady loharano no tampon'ny fiainana maha-kristianina manontolo, andraisan'ny mpino anjara ka anolorany amin'Andriamanitra ilay "sorona" tsy manam-paharoa ary ny tenany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
23 avrily 2025 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
♦ Ny sabotsy izao no fotoam-pandevenana ny Papa François, taorian'ny fodiamandriny. Efa voafaritra ihany koa ny daty hanatanterahana ny "conclave" hifidianana izay Papa handimby azy... ♦ Voalahatra anatin'ny lahadinika ny resaka "îles éparses" amin'ny fihaonan'ny filoha Malagasy sy Frantsay, rahampitso. Nampahafantatra izany ny mpitondra tenin'ny filoham-pirenena, omaly... ♦ Miasa toy ny isan'andro ny mpitatitra olona sy entana manerana an'i Madagasikara, rahampitso sy ny Alakamisy izao, hoy ny Ministeran'ny Fitaterana... ♦ Manao ranolava ny fanehoana fiaraha-miory voarain'i Vatican, noho ny fahafatesan'ny Papa François. Misaotra 7 andro ny any Argentine, niaviany...
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco