♦ Notendren'ny Papa François androany ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo-Atsinanana. Izy no handimby an'i Mgr Gaetano Di Piero... ♦ Miantso fihaonana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra, ireo Ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, manoloana ny olana ara-tsôsialy ankehitriny. Nanao fanambarana teny Isoraka izy ireo androany... ♦ Efa tonga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2025. Volavolan-dalana roa hafa no efa lany teny Tsimbazaza, ankoatra izay...

♦ Tsy faly tamin'ny fanitsiana sy ny fanasaziana azy noho ny tsy fanarahan-dalàna ny zandary iray mpiana-draharaha tany Beroroha ka nitifitra ny lehibeny. Maty vokatr'izany ny Kapiteny Franck Muller. Maty nitifi-tena ihany koa ilay zandary mpiana-draharaha... ♦ Manana paik'ady amin'ny fanamboarana toeram-pamonjana vaovao ny tompon'andraikitry ny Fonja eto Madagasikara hampihenana ny fivangongon'ny voafonja misy ankehitriny... ♦ Namoaka voka-pikarohana nataony nandritra ny 35 taona momba ny eny ambanivohitra ny mpampianatra mpikaroka, Hugues Rajaonson. Resahana anatin'izany ny pôlitika hahalasa ho mpandraharaha ny tantsaha mpamokatra...

Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.

Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...