♦ Ahiana hihitatra any amin'ny fipoahana ara-tsôsialy ny hetsika mifanesisesy izay hanehoan'ireo mpanjifa ny tsy fisitrahana jiro sy rano avy amin'ny JIRAMA hoy ny mpandinika fiaraha-monina... ♦ Andrasana ny hahatongavan'ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 eny amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Renim-pianakaviana iray mpivarotra no maty notifirin'ny jiolahy omaly tao Toamasina... ♦ Tafakatra 30 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo namoy ny ainy noho ny fanatontosany ny andraikiny any amin'ny tany miady hatramin'ny niandohan'ity taona ity...
Tompon'andraikitra miaraka amin'ny reny hatrany ny raim-pianakaviana amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy ny ray. Toy ny renim-pianakaviana dia tsy maintsy miomana ihany koa ny ray amin'ny fanabeazana ny zanaka. Tsy tokony hasiana fanavakavahana na tombony manokana ho an'ny zanaka lahy na vavy. Ny fifankahazoana eo amin'ny ray sy ny zanaka vavy dia voajanahary anefa tokony hazava tsara ny fahefana maha ray sy maha raiamandreny... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ 2 no naratra omaly ten Ambohibao-Antehiroka : ny iray naratra mafy teo amin'ny masony, ny iray hafa teo amin'ny tongony vokatry ny hetsika tsy fankasitrahana ny tsy fisian'ny jiro sy rano... ♦ Milaza ny hidina ifotony eny amin'ny JIRAMA anio ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ary tsy hivoaka ao raha tsy misy vahaolana aroson'ny tompon'andraikitra... ♦ Miandrandra ny fahalanian'ny tolo-dalàna eny amin'ny parlemanta mba hahafahan'ireo olona manana toe-tena varira, miaina toy ny olon-drehetra ny fikambanana Albinos Madagasikara... ♦ Maminavina ny hanampy isa ny tafika i Ukraine, milaza efa miroso amin'ny andrana amin'ny fitaovam-piadiana nokleary kosa i Rosia...
Misy fepetra maro tsy maintsy hajaina ny litorjia : voalohany ny toerana toy ny fiangonana, chapelle, na toerana hafa ankatoavin'ny manam-pahefana eo anivon'ny Eglizy, toerana voaomana tsara, tony, madio ary mendrika ; faharoa ny ora toy ny hoe vavaka maraina, hariva, ny haeloan'andron'ny Paka ; fahatelo ny andro toy ny hoe vavaka isanandro na ny alahady, misy koa ny andro voadidy hohamasinina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco