Ny tazomoka dia mbola aretina mpahazo ny olona eto Madagasikara ary maro no matiny. Ny tazomoka dia areti-mifindra azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy izay mitondra tsimok'aretina. Fambara'ny tazomoko: misy fanaviana, fiakaran'ny hafanana, mangorangorana, marary an-doho, fa ny fitiliana ihany no tena hafantarana azy. Ny fitiliana dia maimaimpoana, ny fitsaboana dia maharitra 3 andro... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Amehana eto amin'ny firenena ny momba ny herinaratra ka anara-maso akaiky ny fanatanterahana ny tetik'asa momba izany ny filoham-pirenena. Nihaona tamin'ireo delegasiôn'ny Banky Iraisam-pirenena niresaka ny momba izany Andriamatoa Andry Rajoelina omaly... ♦ Voasaringotra amin'ny raharaha kolikoly ny ankamaroan'ny mpiasam-panjakàna nohadihadian'ny Bianco. Noresahana nandritra ny fakan-kevitra natao tetsy Ambohibao ny fahitsian'ny mpiasam-panjakàna amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Hitarina hatramin'ny rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny faobe ho an'ny ao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano. Hotratrarina ny tahan'ny zaza vita vaksiny hatramin'ny 95%...

♦ Takian'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifan'ny JIRAMA tsy voaloha ara-potoana. Milahatra ora maro ireo mpanjifa mandoa faktiora amin'ny masoivohon'ny JIRAMA ao an-drenivohitra... ♦ Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanohanana amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny COI. Fitaovana maherin'ny 5,5 miliara Ariary no natolotra. Nanofana mpiasan'ny fahasalamana mpahay ny momba ny valan'aretina eny an-kianja... ♦ Mikokatra ho an'ny taom-pianarana 2024 - 2025 ny Oniversite Don Bosco ASSJA ao amin'ny diôsezin'i Moramanga. Lalam-piofanana 3 no misy ao...

Ny fibanjinana an'Andriamanitra dia midika fa manakaiky Azy, miezaka ny hahita Azy sy hihaino. Ny fibanjinana dia mitaky fepetra : manaiky hiasan'ny Fanahy Masina, manaiky izay sitrapon'Andriamanitra, manaiky am-pinoana izay miseho. Rehefa vita ireo dingana mikasika ny vavaka dia mandrisika antsika haka fanapahan-kevitra ho vavolombelona, hampifanaraka ny fiainana amin'ny Evanjely...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...