♦ Mbola nofonjaina any Mananjary i Cyril Rasambozafy, tao aorian'ny nisamborana azy tany Vangaindrano... ♦ Hanampy ireo ray aman-dreny amin'ny fisafidianana ny sekoly hianaran'ny zanany amin'ny alalan'ny hay ranty, ny Fan Education Agency... ♦ Niakatra 40% ny vidin'ny lafarinina, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa. Milaza handray fepetra kosa ny minisitera tompon'andraikitra...

♦ Tafapetraka eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano azy, i Mgr Clément Herizo Rakotohasimbola... ♦ Torio ao anaty fiombonana sy fahononan-tena amin'ny fiainana ny Evanjely, io no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Notendren'ny Papa François hisolo tena azy mandritra ireo lanonam-pamaranana ny fivahinianana masina ataon'ny mpino katôlika Okreniana manaraka ny fomba latina, amin'ny 21 jolay 2024, ny Sekreteram-panjakana, ny Kardinaly Pietro Parolin...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 7, 1-11)

Moa zohy fieren’ny mpangalatra ve ity trano iantsoana ny Anarako ity?

Izao no teny natao tamin’i Jeremia, tamin’ny Anaran’ny Tompo:

“Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’ny Tompo,
ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe:
Mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo rehetra lehilahy amin’i Jodà
izay miditra amin’ireto vavahady ireto, hivavaka amin’ny Tompo.
Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika, Andriamanitr’i Israely:
Ahitsio ny lalanareo aman’asanareo,
dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo.
Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe:
Ity no tempolin’ny Tompo, tempolin’ny Tompo, tempolin’ny Tompo!
Fa raha ahitsinareo ny lalanareo aman’asanareo;
raha tsarainareo marina ny adin’ny olona amin’ny namany,
raha tsy ampahorìnareo ny vahiny, sy ny kamboty ama-mpitondratena;
ary tsy mandatsa-dra marina amin’ity tany ity ianareo,
na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo,
dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo;
amin’ity tany efa nomeko ny razanareo hatramin’ny andro taloha
ka hatramin’ny mandrakizay.
Kanefa ny itokianareo dia teny lainga, tsy mahasoa anareo velively akory!
Aiza ka dia avy mandainga, mamono olona, maka vadin’olona, mianian-tsy tò, manemboka an’i Baala,
ary manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo ianareo!
dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray,
eto amin’ity trano iantsoana ny Anarako ity, ka manao hoe:
Ho afaka isika!
Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton’izany.
Moa zohy fieren’ny mpangalatra eo imasonareo va ity trano iantsoana ny Anarako ity?
Izaho koa mba nahita izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a. 11

Drey! mahatehotia ny fonenanao, ry Tompon’ny tafika!

Manembona Anao lalandava ny foko.
Miseho maniry ny kianjanao.
Endrey velon-kira mihoby ny foko.
Mientana faly miandra Azy Tompo.
Fa velona sady manjaka tokoa
ilay Andriamanitra Fanantenako.

Ny voromanidina ireny tsy lao,
ireo sidintsidina mbamin’ny fody,
mitoetra manila ny Otelinao,
ry Tompo Mpanjakan’ny tany tontolo.

Endrey ny hasambaran’ny vahoakanao,
mihoby, midera tsy tapaka Anao.
Miravo tokoa izay mitoky aminao.
Mavitrika, tojo ny lalan-kombana.
Endrey fa mitombo izaitsizy ny hery,
miroso tsy miato hatrany ny dia.

Ny andro iray ao an-kianjanao,
mihoatra ny arivo an-toerana hafa.
Aleoko mandia ’zany tokonanao,
tsy tiako ny lay manalavitra Anao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

Avelao haniry ambara-piavin’ny fijinjana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:

‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’

‘Ny fahavaloko no nanao izany’,

hoy ny navaliny.

‘Tianao va ny handehananay hiava azy?’

hoy ireo mpanompony taminy.

‘Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana;
ary angony ho any an-tsompitra ny vary.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 3, 14-17)

Homeko mpiandry araka ny foko ianareo; ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema.

Miverena, ry zaza mpiodina — teny marin’ny Tompo,
fa Izaho no Tomponareo;
ary halaiko ianareo ny iray ao amin’ny tanàna iray,
ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.
Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo,
izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.
Ary rahefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo, amin’izany andro izany,
— teny marin’ny Tompo,
amin’izay tsy hisy intsony ny hilaza hoe:
Ny fiaran’ny faneken’ny Tompo!
Tsy ho mby ao an-tsaina akory izany,
tsy hisy hahatsiaro na ho manina an’izany intsony,
na hanao anankiray hafa indray.
Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe:
ny seza fiandrianan’ny Tompo!
Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny anaran’ny Tompo,
fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Jer. 31, 10-13

Ny Tompo miambina anay, toy ny mpiandry miambina ny ondriny.

Ianareo firenena mihainoa ny Tenin’ny Tompo, ary torionareo izany, any amin’ireo nosy lavitra; ataovy hoe:
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona azy indray;
ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.

Satria ny Tompo efa nanavotra an’i Jakôba,
sy nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.

Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna.
Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’ny Tompo izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby;
ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.

Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa.
Hampodiako ho fifaliana ny fisaonany, halako alahelo,
hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

Izay mihaino ny teny ka mahalala azy dia mamoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony:
dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo
no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy,
ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no izay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...