Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 4, 7-15)

Entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
siny tany no itondranay ny rakitry ny fahasoavan’Andriamanitra,
mba hiharihary fa avy aminy ny halehiben’ny herin’ny Evanjely,
fa tsy avy aminay.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery;
ampahorìna, nefa tsy mamoy fo;
enjehina, nefa tsy afoy;
azera, nefa tsy toro;
entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa,
mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa.
Fa na dia velona aza izahay,
dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa
mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty.
Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay,
fa ny fiainana kosa ao aminareo.
Noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe:

“Nino aho ka niteny”,

dia mino koa izahay, ka miteny.
Satria fantatray fa izay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona,
dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa,
sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo.
Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany,
mba homena be ny fahasoavana,
ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Izay mamafy amin-dranomaso, mijinja amin-kafaliana.

Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo,
mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay.
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay!

Takoritsika re izao nataon’ireo firenena:
“Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!”
Eny lalina ho aho, itý nataon’ny Tompo taminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay!

Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo,
ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana!

Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina avy any ireo, velon-kira;
fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao,
mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 20-28)

Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa.

Tamin’izany andro izany,
dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy,
ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy.

“Inona no irinao?”

hoy i Jesoa taminy.
Dia hoy izy:

“Aoka ireto zanako roa lahy ireto
mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray,
ao amin’ny fanjakanao.”

Dia hoy ny famalin’i Jesoa:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo.
Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?”

Hoy ireo taminy:

“Efanay ihany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa;
fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako,
dia tsy Ahy ny hanome anareo izany,
fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.”

Ary nony nandre izany izy folo lahy,
dia tezitra tamin’izy mirahalahy.
Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy,
ary ny lehibeny mifehy azy fatratra.
Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo;
fa izay te-ho lehibe aminareo kosa
no aoka ho mpanomponareo izy,
ary izay te-ho lohany aminareo,
no aoka ho mpanomponareo:
dia tahaka ny Zanak’olona izany;
fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 1, 1. 4-10)

Indro Aho manendry anao ho eo amin’ny firenena amam-panjakana.

Tenin’i Jeremia, zanak’i Helkiasy,
iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.
Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”

Dia hoy aho:

“Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô,
tsy mahay miteny aho fa zaza.”

Fa hoy ny Tompo tamiko:

“Aza manao hoe: zaza aho,
fa handeha ho any amin’izay rehetra hanirahako anao ianao,
ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo,
fa momba anao hamonjy anao Aho,
— Teny marin’ny Tompo!”

Dia naninjitra ny tanany ny Tompo, ka nanendry ny vavako,
ary hoy ny Tompo tamiko:

“Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;
ary indro Aho anio manendry anao,
ho eo amin’ny firenena amam-panjakana hanongotra sy hanjera,
hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17

Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy ny vonjinao.

Ianao no ifefeko, ry Tompo!
Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay Mandrakizay!
Afaho noho ny Fahamarinanao; itongilano sofina ka vonjeo!

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy
ry Andriamanitra ô!

Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatra ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka; Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’i neny, Ianao no mpiaro ahy.

Ny vavako mitanisa tontolo andro
ny fahamarinana sy vonjinao.
Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)

Ao ny mamoa avo zato heny.

Tamin’izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy,
dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 7, 14-15. 18-20)

Harianao any ambany ranomasina ny fahotanay rehetra, ry Tompo.

Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao, ry Tompo,
dia ny ondry lovanao izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela;
aoka hiraoka any Basana sy any Galaada izy, toy ny tamin’ny andro taloha.
Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta,
haneho zava-mahagaga aminy Aho.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana,
ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao?
Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany
fa ny mamindra fo no sitrany.
Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika.
Harianao any ambany ranomasina ny fahotany rehetra;
hampiseho amin’i Jakôba ny fahamarinanao Ianao,
sy amin’i Abrahama ny famindram-ponao;
izay efa nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro fahataloha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 2-4. 5-6. 7-8

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao.

Tsimbino, ry Tompo, ity taninao.
Ny babon’i Jakôba re ampodio.
Esory ny helok’ireo olonao, dia sarony ny otany.
Ianao aza tezitra intsony aminay.
Ny fonao vinitra re aoka izay!

Ianao no Mpamonjy ka ento mba ho hody ’zahay Andriamanitra.
Toneo ny hatezerana raha sitrakao,
ho tezitra mandrakizay ve Ianao?
Ho vinitra lava mandritra ny taona rehetra hifanaraka?

Tsy hamelombelona anay va Ianao?
Mba satry tokoa hiravo aminao:
Ianao tsara fa misehoa mba ho vonjy, ry Tompo Andriamanitra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)

Naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany izy, nanao hoe: ireo no renika sy rahalahiko.

Indray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa,
dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:

“Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao.”

Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy:

“Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?”

Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nametra-pialana tsy ho governoran'ny Faritra Androy intsony Andriamatoa Soja Lahimaro Tsimandilatse. Tsy misy resaka pôlitika akory ny fanapahan-keviny hoy izy fa antony ara-pianakaviana... ♦ Mifarimbona amin'ny fampandriana fahalemana ao amin'ny Faritr'i Menabe ny Kalaony. 1.300 ny isan'izy ireo mivondrona amin'izany rafitra izany ankehitriny... ♦ Manodidina ny 5,5 taonina isaky ny hektara ny voka-bary azo amin'ny fampiasàna ny teknika voizin'ny Papriz. Maherin'ny 100.000 ireo tantsaha mampihatra izany amin'ny faritra iasan'ny tetik'asa... ♦ Mahazo vahana indray ny herisetra atsy Somalie : 9 isa no maty,  20 naratra, vokatry ny fipoahan'ny fiarakodia voasesika baomba tao Mogadiscio...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...