Taratasy voalohany nosoratan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 3-9)
Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho an’ny famonjena,
izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa dia mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja izany,
amin’ny andro isehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo
na dia mbola tsy mibanjina Azy aza izao;
izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 5-6. 9-10d
Deraiko amin’ny foko tontolo ny Tompo,
anatrehan’ireo olo-marina,
ao anivon’ny Fiangonam-beny.
Lehibe manko ny asan’ny Tompo.
Mitsimbina, eny, miantra ny Tompo,
ka omeny sakafo ny olona,
dia ireo olona mino ny Tompo
nananganany ilay fanekena.
Nasehony koa ny herin’ny Tompo,
anatrehan’ireo izay voafidy.
Ka ny lova omeny azy ireo
dia ny lovan’ireo firenena.
Nandray famonjena ny olom-boafidy,
fanekem-baovao no iorenany
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny, masina manko ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)
Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”
Dia hoy ny navaliny Azy:
“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.”
Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:
“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”
Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”
Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:
“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza àry no mety ho voavonjy?”
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:
“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deterônômy (Det. 4, 32-34. 39-40)
Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ ny vahoaka Israely:
“Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza,
raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana,
na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra
niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renao,
ka mbola velona ihany izy?
Oviana no mba nisy andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy
tao afovoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady,
tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe,
toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitra ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?
Koa fantaronao anio,
sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra,
any amin’ny lanitra ambony sy ety an-tany ambany, ary tsy misy hafa.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao,
ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 32, 4-5. 6 sy 9. 18-19. 20 sy 22
Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Ny lanitra no vita dia ny tenin’ny Tompo;
ny tafiny no misy: ny fofon’ain’ny vavany.
Izay lazainy dia efa;
izay teneniny, tomombana.
Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Izahay manantena ny Tompo,
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho aminay matoky Anao!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 14-17)
Ry kristianina havana,
izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona
miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy isika,
mba hiarakomem-boninahitra aminy koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)
Tamin’izany andro izany,
niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha,
dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nampiakatra ny raharaha eny amin'ny Fitsarana ka mangataka ny hanafoanana sy hampiatoana ny didy nanakatona ny Radio Fivoarana, ny tompon'ity onjam-peo ity... ♦ Nitohy tany avaratry ny nosy ny fitsidihana ataon'ny Filoha Andry Rajoelina, izay nanolorana ireo foto-drafitrasa ho an'ny mponina... ♦ Mety hiafana hatrany amin'ny fanalana an-daharana ny kandidà ny fandikan-dalàna amin'izao fampielezan-kevitra izao, hoy ny mpisolovava avy amin'ny Vononana Firaisankina...
Anisan’ny mbola hamaivanin’ny olona ny fahasalamana ara-tsaina raha ny eto Madagasikara. Tranga mety hiseho amin’ny olona rehetra anefa ny aretina ara-tsaina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia misy fiantraikany mivantana amin'ny fiasan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, manamarina ny maha-zava-dehibe ny hetsika alohan'ny olana mba hampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fahasalaman'ny ara-tsaina dia fahafahan'ny olona iray manatanteraka ny vinany sy miatrika ny trangam-piainana, ahafahana miasa. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco