24 mey 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)
♦ Tsy ilaina intsony ny fahatongavan'ireo iraky ny SADC eto Madagasikara, hoy ny eo anivon'ny ARFM. Misokatra amin'ny fifampiresahana amin'ireo ankolafin-kery eto amin'ny firenana ireo iraka ireo, nanomboka androany... ♦ Manaporofo ny tsy fahaleovan-tenan'ny CENI sy ny HCC ny fahanginan'ireo andrim-panjakana ireo, amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, hoy ny VHT... ♦ Tsy miova fa mizara ho roa volana in-dimy ihany ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Namoaka ireo tetiandro mirakitra izany, mbamin'ny datin'ny fanadinam-panjakana iandraiketany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...
♦ Miantso ny mpifidy hahay hanapa-kevitra amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny kandidàn'ny Firaisan-kina laharana fahatelo ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo. Misy ny tsindry atao amin'ny sefo fokontany sy ny mpiasam-panjakàna hoy izy ireo... ♦ Tombanana hiasa mialohan'ny faran'ny taona ny fitanterana an-tariby na ny "télépherique" zotra volomboasary miainga eo Anosy hatrany Ambatobe... ♦ Nifarana teo amin'ny dingana savaranonando ny fandraisan'anjaran'i Laura Rasoanaivo amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an'ny Judo atao any Abu Dhabi any Emirat Arabo Mitambatra... ♦ Hifidy izay ho filoham-pirenena amin'ny 28 jona izao ny vahoaka iraniana...
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco