Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 7, 22 — 8, 1)

Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay ny fahendrena ary fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina.

Ao amin’ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina,
masina, tokana, maro asa,
tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka,
tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly,
tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona,
manao soa, tsara fo ho an’ny olombelona,
tsy manam-piovana, matoky, miadana,
mahefa ny zavatra rehetra,
mitandrina ny zavatra rehetra,
maninteraka ny fanahy rehetra,
ny manan-tsaina, ny madio,
ary ny faran’izay maranitra indrindra.
Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny Fahendrena,
maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy,
noho ny hadiovany.

Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy,
zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany,
ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.
Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy,
fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina,
ary endriky ny hatsaram-pony.

Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra;
tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra,
mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra
amin’ny taona mifandimby,
ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra
sy ho mpaminany.
Fa tsy misy tian’Andriamanitra
afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena.
Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy,
sy noho ny filantoan’ny kintana.
Raha ampitahaina aminy ny mazava,
mbola ihoarany;
satria ny mazava, dimbiasan’ny alina;
fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny Fahendrena.

Ny Fahendrena mahatratra amim-pahefana
ny fara vazan-tany hatramin’ny ilany iray
ka hatramin’ny ilany iray hafa,
ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 89. 90. 91. 130. 135. 175

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo.

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo:
eny, mateza toy ny lanitra.
Amin’ny taona mifandimby ny fahamarinanao,
tsara fijoro toy ny tany izay naorinao.

Noho ny fitsaranao, dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao;
ampianaro ahy ny fitsaranao!
Veloma anie ny aiko hiderako Anao!
Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)

Indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanontanian’ny Farisianina
izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka namaly hoe:

“Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
ary tsy hataon’ny olona hoe:

Indro atý na arý izy;

fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.”

Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany:

“Ho avy ny andro hanirianareo hahita
ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
fa tsy hahita ianareo.
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe:

Indro erý, na indro etý;

nefa aza mankany ianareo,
na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra
miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray
ka hatrany amin’ny lafiny hafa,
dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona
amin’ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy
sy holavin’itý taranaka itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Raran'ny lalàna sy mahavoasazy ny manakana ny olona hifidy, na manohintohina ny fanatanterahana ny fifidianana, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy maintsy tonga eny anivon'ny Fokontany rehetra manerana ny nosy anio farafahatarany, ireo taratasin-datsa-bato rehetra ilaina eny anivon'ny Biraom-pifidianana... ♦ Ho hentitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana manerana ny nosy rahampitso, andron'ny fifidianana. Efa vonona amin'ny fidirana an-tsehatra amin'ny fandaminana rehetra ireo mpitandro ny filaminana, raha misy ny ilana izany...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 6, 1-11)

Mihainoa, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena.

Mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara;
mihainoa ny fampianarana,
ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.
Mampandria sofina,
ianareo mpifehy ny sarambabem-bahoaka...
ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.
Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery,
ary ny Avo indrindra no nanome anareo ny fahefana,
dia Izy no handinika ny asanareo,
sy hizaha toetra ny hevitrareo.
Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany
tsy mbola nitsara ara-drariny,
na nitandrina ny lalàna,
na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;
dia hiantefa aminareo Izy,
mahatsiravina sy tampoka
fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.
Ny madinika,
avela heloka amim-pamindram-po,
fa ny manam-pahefana kosa
faizina mafy.
Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra,
ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso;
fa samy noarìny ny lehibe sy ny kely,
ary samy ahìny na ireto na iretsy.
Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.
Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka,
mba hianaranareo ny fahendrena,
ka tsy ho lavo ianareo.
Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana,
hohamarinina;
ary izay mianatra azy hanan-kavaly.
Koa aoka hankamamìnareo ny teniko;
aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 81, 3-4. 6-7

Mitsangàna, ry Andriamanitra, hitsara ny tany.

Omeo rariny ny malahelo sy ny kamboty;
omeo hitsiny ny tsy manana sy ny ory!
Afaho ny malahelo sy ny mahantra
ka esory amin’ny tanan’ny olon-dratsy!
Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny, sy zanak’Ilay Avo avokoa!
Aoka, fa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo,
sy ho lavo tahaka ny nofo rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)

Ny vahiny indray itý no hany niverina hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany
nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy,
dia nifanena tamin’ny boka folo lahy
izay nijanona teny lavidavitra teny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe:

“Ry Jesoa Mpampianatra ô,
mamindrà fo aminay.”

Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe:

“Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”;

ka nony nandeha ho any izy ireo
dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny,
rahefa nahita fa sitrana izy,
dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra
tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy,
dia nisaotra Azy;
ary Samaritanina izy io.
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe:

“Moa tsy folo lahy va no nadio?
Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny
mba hankalaza an’Andriamanitra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Mitsangana, ary mandehana,
fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho Filoham-pirenena, ny Malagasy feno taona rahampitso, araka ny voalazan'ny lalàna manan-kery. Voararan'ny lalàna ny finiavana hanakorontana mandritra ny fotoam-pifidianana, hoy ny Tonia Mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona... ♦ Tombanana hiverina hianatra ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, tsy mbola nianatra noho ny fitokonan'ny SECES, ny alatsinainy ho avy izao, hoy ny tompon'andraikitra. Nidina an-dalambe nandoro kodiarana omaly, ny ampahany amin'ny mpianatra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...