♦ Manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha eto Madagasikara ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Zava-dehibe, hoy izy ireo, ny fanajana ny Lalam-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana... ♦ Nanao jery todika ny asa vitany nandritra ny folo taona ny fandaharan'asa FORMAPROD eto Analamanga. Nakatona androany ny sehatr'asa ho an'ny eto Analamanga... ♦ Manofana ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja, ny Sekolim-pirenena ho an'ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara, na ny ENAM eny Androhibe sy ny Minisiteran'ny Fitsarana...

Ny 20 aogositra 2023 no nanononan'i Frera Razafimandimby Michel Fabrice ny voady mandrakizay maha Salezianina azy. Ny lehibem-pikambanana eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy, i Mompera Bizimana Innocent no nitarika ny lamesa tao amin'ny Paroasy Masindahy Joany Bosco Ankofafa Fianarantsoa. 

♦ Milaza ho manana depiote maro an'isa efa nitsipaka ny Governemanta ireo solombavambahoaka manentana ny fandaharana "Angaredona" izay mandeha amina haino aman-jery maromaro eto Antananarivo nanomboka ny maraina teo... ♦ Miverina indray ny fanotofana tany amin'ny toerana maro eto Antananarivo amin'izao, na teo aza ilay didim-panjakàna mampiato izany. Namerina nampahatsiahy ny tompon'andraikitra fa hogiazana ireo fitaovana tratra manao izany manomboka izao... ♦ Olona miisa 5 no maty vokatry ny filentehan'ny lakana nitondra olona miisa 12, tany Betania-Morondava omaly, vokatry ny haavon'ny onjan-dranomasina. Mbola nampitandrina momba ny alondrano amin'ny morontsiraka ny Météo...

Ny hoe "mivoaka itany" dia dingam-piainana ny zaza, fanombohan'ny fahavelomana sy ny fiainana eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Ny fitondrana vohoka tamin'ny malagasy dia 10 volana araka ny fanisàna andro malagasy. Herinandro eo ho eo ny fifanana ao anaty "komby" ary eo amin'ny havalon'andro no hirisoana amin'ny "mivoaka itany". Ny fomba hatao mandritra ny "mivoaka itany" dia haingoina ny olon-dehibe velon-dray aman-dreny hitrotro ilay zaza izay hotronon'ny zatovo lahy na vavy mitondra fitaovana samihafa. Raha lahy ilay zaza hoentina hivoaka itany dia zatovo lahy mitondra famaky sy tady mahazaka ary mizana no manaraka aoriana, raha vavy kosa dia zatovo vavy mitondra saronkarona no manotrona azy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...