♦ Tsy maintsy handraisana fepetra ireo Solombavam-bahoka mihoa-pefy, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine. Efa eny amin'ity andrim-panjakana mpanao lalana ity ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2023... ♦ Niverina niasa omaly ny mpirakidraharaham-pitsarana, tao aorian'ny fitokonana naharitra tapabolana. Maro ireo olona nanan-draharaha namonjy fitsarana teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy... ♦ Tsy mety miravona ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny mpamily taxi mivondrona ao amin'ny FTAR sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...

03 nôvambra — Teraka ny 9 desambra 1579 tao Lima any Pérou i Martin. Zanak'i Jean de Porrès sy i Anne Velasquez izy. I Jean moa dia miaramila tao Alcantara, i Anne kosa andevo mainty nahazo fahafahana tamin'inzany fotoana izany. Nanan-jandry ihany koa i Martin, nantsoina hoe Joanna.

Ny tsy fahalavorariantsika olombelona no tena mitondra  antsika hanao fahadisoana matetika, na manao ezaka goavana aza isika. Matetika ny fontsika no mifikitra amin'ny harena na hatsaràna na talenta izay hananantsika ka entintsika hivelarana eo amin'ny fiainana, tsy foy zaraina mba hansoa ny hafa. Ampiasaina ny feon'ny fieritreretana hampandrosoana ny hafa. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alakamisy 3 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...