♦ Nitokana zava-bita maro tany Nosy-Be, Faritra Diana, ny Filohan'ny Repoblika. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ny hahatonga ny fizahan-tany ao Nosy-Be ho fanoitra amin'ny fampandrosoana... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ary hitohy anio ny fikaonan-doha momba ny fampandrosoana lovain-jafy aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, andiany voalohany... ♦ Tontosa soa aman-tsara ny famindram-pitantanana teo amin'ny Biraon'ny A6FM teo aloha sy ny Birao vaovao. Mangataka amin'ny fitondrana ny hampitomboana ny tetibola handraisana mpiasa vaovao ny sendikan'ny infirniera sy ny mpampivelona eto Madagasikara...
05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.
Ny feon'ny fieritreretana dia ny fandinihan-tena ao anatin'ny vavaka mba hivelomana ny tsara sy handosirana ny ratsy. Tsy mionona fotsiny amin'ny fanarahana ny lalàna ara-bakiteny ny fandinihan-tena fa mizotra mankany amin'ny fahalavorariana raha mitsinjo ny hafa. Ny feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra mibitsika mangina ao anatintsika. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Sabotsy 5 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 9-15
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco