♦ Tsaroana androany ny tsingerin-taona nahaterahan'ny Amiraly Didier Ratsiaraka. Nijoro ho vavolombelona ireo mpiara-miasa akaiky taminy, fa nahavita be ity Filoham-pirenena Malagasy teo aloha ity... ♦ Mampiantrano ny fikaonan-doha momba ny fampandrosoana lovain-jafy aty amin'ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara, androany sy rahampitso. Mpiantsehatra hatrany amin'ny 300 isa avy amin'ny firenena 11 no mandray anjara... ♦ Mitaky amin'ny fitondram-panjakana ny hampitomboana ny fandraisana mpiasa vaovao ny Sendikan'ny infirimiera sy ny mpampivelona eto Madagasikara...
♦ Nohamasinina ho eveka tamin'ny 1 nôvambra 2022, ny Nonce Apostolique vaovao, hiasa eto Madagasikara, hisolo tena ny Ray Masina François... ♦ Nifarana ny alarobia 2 nôvambra 2022 ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny tanora, mifantoka amin'ny fanabeazana ho amin'ny fiadanana, izay notanterahan'ny avy ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara... ♦ Nanao antso avo ny hijerena manokana ny zo hiaina sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, nandritra ny lahateny voalohany nataony tao Bahreïn...
Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara biriky entin'ny fampiasana fitaovana nohatsaraina mifanaraka amin'ny filan'ny tantsaha ary mifanaraka ihany koa amin'ny fivoaran'ny teknika misy ankehitriny. Hirika mampitombo sy manatsara ny kalitaon'ny vokatra amin'ny fambolena... Dingana sy ezaka maro anefa no nolalovan'ny Malagasy mamokatra ireny fitaovana ireny.
♦ Niharan'ny fanendahana teny Ambohitsaratelo androany maraina, ny mpianaka mpanao Cash Point. Maty ilay raim-pianakaviana, naratra mafy kosa ny zanany vavy... ♦ Misy fandikan-dalana ny fifanarahana nataon'ny CENI sy ny FIV.MPA.MA, ao anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga na MMM... ♦ Tsy misy antony avy amin'ny fitondram-panjakana malagasy ny fihemoran'ny dinika momba ny Nosy malagasy, iarahan'ny eo amin'ny Vaomiera Iombonana ahitana delegasiona malagasy sy frantsay, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco