Ry kristianina havana sy isika vahoakan’Andriamanitra rehetra, homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo. Tapitra izay ny fotoana niomanantsika amin’ny fiavian’ny Tompo. Nanomana ny vatana sy ny fo amam-panahintsika isika, mba handray ilay MESIA nampanantenaina. Ka dia tonga tokoa ny Noely, fety lehibe mamin’ny fontsika indrindra, satria mampahatsiaro antsika ilay “Emanoela”; izany hoe: “amintsika Andriamanitra” (Mt 1, 23). Rahefa tonga Nofo tokoa i Jesoa, “Ilay hamonjy ny olony” (Mt 1, 21) dia nanambara tamintsika fa “Zanak’andriamanitra isika” (Jo 1, 12- 13).

Ny sitrapon'Andriamanitra mihitsy no tena katsahin'i Jesoa, araka izay voalaza ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo : "ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahakany any an-danitra.",  manamafy izany koa ny voalaza ao amin'i Joany : " Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany."... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

Ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara dia faly miarahaba antsika jiaby, tratran'ny Noely sy ny Taom-baovao 2025. Tonga, teraka eo anivontsika i Jesoa. Tonga miara-dia amin'izao tontolo izao, ary miara-dia amin'ny Eglizy. Tonga, teraka ao an-tranon'omby Izy, tranon'omby izay sisin-dalan'ny fiaraha-monina. Mampahatsiaro antsika àry i Jesoa, mba tsy ho tavela, tsy ho adino eo amin'ny sisin-dalana ny ankizy mahantra sy mijaly.

25 desambra 2024 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...