02 marsa — Raha lazaina ny tantaran'i Masindahy Charles le Bon dia zanak'i Knut, mpanjaka tao Danemark tamin'ny taonjato faha-11. Ny taona 1119 no notendrena ho comte tao Flandre i Charles rehefa tafaverina avy any amin'ny ady voalohany ho fanafahana ny Tany masina.
Ny fitiavana nasehon'i Jesoa Kristy no nahazoantsika famelan-keloka, nampivitrana indray ny fihavanantsika, voalohany amin'Andriamanitra ary faharoa dia amin'isika samy olombelona. Sori-dalana napetrak'i Jesoa Kristy, ohatra velona nasehony dia ny fiainana ny lalan'ny fitiavana. Araka ny voasoratra hoe "tsy misy manam-pitiavana lehibe indrindra noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
2 marsa 2025 — Alahady Tsotra fahavalo Mandavantaona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-45)
01 marsa — I Eudoxie dia misy ihany koa ny miantso azy hoe Eudocie na Eudocia. Martiry maty tamin'ny taona 114 izy io. Niaina nandritra ny nanjakan'ny Amperora Trajan i Eudoxie. Samaritanina nibebaka, vehivavy mpanan-karena niaina tao Héliopolis tany Liban ary niaina tao anatin'ny rendrarendran'izao tontolo izao.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco