04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.
Ny fisoronana dia nifandovana teo amin'ny tantaran'i Israely : rehefa antitra ny mpisorona iray dia mametra-tanana amin'izay taranany handimby azy izy. Toy izany no hita tamin'ny nataon'i Isaaka tamin'i Jakôba izay tokony ho i Esao zokiny no nomena azy. Io fomba io no mbola tanana ankehitriny amin'ny alalan'ny fetrahan-tanana amin'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
4 marsa 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
• Natao veloma farany teny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza androany, ny nofo mangatsiakan'i Haja Ramaherijaona, Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy... • Misy ireo hetra tsy miditra ara-dalana ao amin'ny kitapom-bolan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Olana tsy hahazoan'ny kianja Barea Mahamasina fankatoavana avy any amin'ny CAF, ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'ny Federasiona, hoy ny K2HB...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco