Ny Eglizy ara-baiboly dia izay miorina eo amin'i Piera ihany, noho ny fahefana avy amin'i Jesoa Kristy, ka manana adidy hamehy sy hamaha hatrety an-tany ka hatrany an-danitra. Azo lazaina hoe fahefana "miendrika fanompoana" eo an-tanan'i Piera sy ny dimbiny. Ny Eglizy dia zava-dalina miafina ao amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny Eglizy reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
16 desambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27
Boky faharoan’i Samoela 7, 1-5. 8b-11. 16
Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka
sady nomen’ny Tompo fandriampahalemana
tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany :
“Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”
Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:
“Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo.”
Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe;
izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry
no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako,
amin’i Israely;
ary izay nalehanao nombàko anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza
toy ny anaran’ny olomalaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana
toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara
hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona amin’ny fahavalonao rehetra Aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao
sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29
Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny firenena rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!
Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko;
hajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao;
haoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.
Aleloia. Aleloia.
Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra,
avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 1, 67-79
Tamin’izany andro izany,
feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain’i Joany,
ka naminany hoe:
“Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny olony,
ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika
tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,
araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany masina
hatramin’ny andro tany aloha,
mba hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika
sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
He izany nanaovany famindram-po tamin’ny razantsika
sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,
dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika
hanome antsika fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika,
mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,
amim-pahamasinana sy fahamarinana,
eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.
Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe:
mpaminanin’ny Avo indrindra,
fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany,
mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena
amin’ny famelana ny helony.
Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika
nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,
mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina
sy amin’ny aloky ny fahafatesana,
ka hitarika ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco