Bokin’i Malakia Mpaminany 3, 1-4. 23-24
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho haniraka ny irako;
ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako;
dia ho tonga tampoka ao an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo,
ilay anjelin’ny fanekena irinareo.
Indro avy izy, hoy ny Tompon’ny tafika.
Iza no hahatanty ny andro hiaviany,
ary zovy no hahajoro, raha miseho izy?
Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika izy
sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra.
Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy izy;
hanadio ny taranak’i Levï izy,
ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy,
ka dia ho mpanompo izy ho an’ny Tompo,
hanolotra fanatitra ara-drariny aminy
ary hankasitrahin’ny Tompo toy ny tamin’ny andro taloha;
toy ny tamin’ny taona fahiny, ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema.
Indro Aho haniraka an’i Elia, mpaminany, ho aminareo,
alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo,
sady lehibe no mahatahotra.
Hampody ny fon-dray ho amin’ny zanany izy,
sy ny fon-janaka ho amin’ny rainy,
fandrao ho avy Aho ka hataoko anatema ny tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy;
ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo;
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsara sy mahitsy ny Tompo,
ka ny mpanota toroany lalana:
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.
Ny lalan’ny Tompo rehetra: hatsaram-po sy fahamarinana
amin’ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny.
Ny tsiambaratelon’ny Tompo ho an’izay matahotra Azy;
ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.
Aleloia. Aleloia.
Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)
Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy.
Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany
fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy,
ka dia niara-nifaly taminy.
Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza,
ary Zakaria, araka ny anaran-drainy
no ndeha hataony anarany.
Fa niteny reniny nanao hoe:
“Tsia, tsy izany, fa hatao hoe: Joany izy.”
Fa hoy izy ireo taminy:
“Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao
manana izany anarana izany.”
Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo
nanontany izay tiany hatao anarany.
Dia nangataka fàfana izy,
ary nanoratra hoe:
“Joany no anarany”;
ka gaga daholo ny rehetra.
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany,
ary nivaha ny lelany,
dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.
Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina,
ary niely hatraiza hatraiza
tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona izany.
Ary izay rehetra nahare
dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe:
“Ho inona re ity zaza ity?”
Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 5, 1-4a)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony;
ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-6. 18-19
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô,
miverena, mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao, homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 5-10)
Ry kristianina havana,
rehefa tonga tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe:
“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe:
Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!”
Voalohany aloha lazainy hoe:
Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,
— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:
Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao;
ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
Tamin’izany andro izany,
niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:
“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao;
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
15 desambra 2024 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)
Alahady faha-3 — Taona D fiavian’ny Tompo : Tsy mba mandao andriamanitra, fa fitiavana ; Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo dia antsoina hoe " alahadin'ny hafaliana", manamafy izany ny tononkira fidirana amin'ity alahady ity manao hoe "Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo! ". Ny filipianina dia fiangonana natsangan'i Masindahy Paoly, izay nohankaherezin'ity farany mba hifaly mandrakariva ao amin'ny Tompo. Ohatra lehibe ho antsika i Masindahy Paoly, mifaly foana na misy sedra, ary miaina ny finoana, izay koa no maha kristianina...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco