17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.
16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.
15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.
14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco