♦ Mitohy hatrany ny fikarohana ireo olona mety ho nifandray tamin'ireny olona efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 ireny... ♦ Mpatory an-dalana an'arivony no vatsian'ny Kaominina Antananarivo sakafo in-telo isan'andro amin'izao fotoanan'ny fihibohana izao... ♦ Tsy nanadino ireo sokajin'olona marefo sy tsy misy mpiahy amin'izao fihanaky ny valan'aretina Coronavirus izo ny CNFM...
♦ Miantso ny herivelona sy ny mpitondra fanjakana hifanohana sy hitandro ny firaisan-kina ny FFKM mba hampirindra ny fiainan'ny vahoaka Malagasy... ♦ Nangiana tsy toa ny isan-taona ny alatsinainin'ny Paka tamin'ny faritra samihafa... ♦ Naato amin'ny asany noho ny antony ara-eknika ny mpiasa mikarama isan'andro miisa 1200 tao amin'ny orinasa iray mpanao sakafo...
♦ Herinandro fahefatra ampiharana ny hamehana ara-pahasalamana ity herinandro vaovao ity. Miantso ny mponina any amin'ireo faritra ampiharana ny fhibohana ny mpitondra tenin'ny CCOC ety Ivato mba hanaja hatrany ny fepetra ampiharina... ♦ Nankalaza ny Paka tamin'ny alalan'ny fanarahana ny fotoam-bavaka tany an-tokantrano ny kristianina teto Madagasikara...
Talata 14 aprily 2020 — Talata amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 11-18 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco