♦ Mila fanaraha-maso akaiky any amin'ny hôpitaly ireo olona mitondra tsimok'aretina Coronavirus tsy ahitana soritr'aretina... ♦ Hasitrika anio ao amin'ny fasan-drazany ny nofo mangatsiakan'ny Profesora Rakotomaria Etienne. Malagasy mpikaroka fanta-daza nanana andraikitra ambony teto amin'ny firenena... ♦ Miantso vonjy amin'ny fanjakana ny Vovonan'ny Ovy any Vakinankaratra...

♦ Olona efatra nitondra ny Coronavirus, notsaboina tany amin'ny hôpitaly omaly no sitrana... ♦ Miverina tsikelikely indray ny mpivarotra amoron-dalana ao Antananarivo Renivohitra. Mitaraina fa tsy mbola nahazo fanampiana ka tsy maintsy manohy ny asa fivelomany... ♦ Misokatra avokoa ny biraon'ny Paositra manerana ny Nosy ho fanampiana ny mpanjifa manoloana ny ady atao amin'ny Coronavirus...

Zoma 17 aprily 2020 — Zoma amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

♦ Mitombo hatrany ny olona voaporofo fa sitrana soa aman-tsara tamin'ireo nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasika. Androany olona efatra vaovao indray no sitrana... ♦ Tsy maintsy mandinika isan'andro ny paik'ady hamongorana ny tsimok'aretina Coronavirus ny anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Mety miovaova izny arakaraka ny zva-misy manerana ny Nosy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...