♦ Hiverina tsikelikely ny fiainana andavan'andron'ny mponina indrindra fa ny asa fivelomana amin'ity herinandro ity... ♦ Olona vaovao iray omaly no voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Miantso ny Fiangonana isan'isany manerana ny Nosy mba hahatsiaro hanolotra izay voatsirambin'ny tanana ho an'ny olona tena sahirana ny Filohan'ny FFKM...

Alatsinainy 20 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 1-8 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

Alahady 19 aprily 2020 — Alahady faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 19-31 — Nino ianao, ry Tômà satria nahita Ahy ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

♦ Mihatra mandritra ny 15 andro nanomboka omaly indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasiakra, araka ny didim-panjakana nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Ministra... ♦ Nidinika niaraka tamin'ny tompon'andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Vondron'ny Koperativa miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU... Saika miandrandra fanampiana avy amin'ny fitondrana avokoa ny ankamaroan'ireo sokajin'olona tsy afa-miasa noho ny fihibohana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...