Ny fanavakavahana, ny fitsitokotokoana, ny fisaratsarahana dia fositra manimba ny firaisan'ny Kristianina. Ny maha kristianina dia tsy mijanona amin'ny tena samirery fa mifandray sy miombona amin'ny samy Kristianina "dimension ecclésiale" fa eo koa ny fiombonana maneran-tany "Eglise universelle". Ny tena fiombonana dia tsy isika anatiny fotsiny ihany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

• Tany amin'ny 220 km andrefana somary atsimo andrefan'Itampolo Ampanihy, no nisy ny foiben'i Honde, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Zava-dehibe ary mijanona ho tsiambaratelo ny valin-teny raisin'ireo mpanao fanadihadiana mandritra ny EPM 2025, araka ny voafaritry ny lalana... • Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin'ny CAF indray ny kianjan'ny Barea Mahamasina...

  • Miha mehery hatrany ny rivotra entin'ilay rivo-doza HONDE ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Vinavinaina ho lasa "Cyclone Tropical" izy ao anatin'ny 24 ora hoy ny Météo Madagascar...
  • Nankatoavin'ny Filan-kevi-pitantanan'ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny hamoahana ny vola 103 tapitrisa Dôlara amin'ny andiany voalohan'ny FEC sy ny FRD. Famatsiam-bola hanampiana ny kitapom-bolam-panjakàna...
  • Nanome baiko hanakatonana ny faritra MAPUTO ao ain'ny fonjan'Antanimora ny Ministry ny Fitsaràna. Tsy tokony hisy hoy  izy ny fanomezana tombon-dahany ho an'ny voafonja manan-katao...
  • Mitsidika ny any Portugal mandritra ny 2 andro ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron. Hiompana amin'ny fanomanana ny fihaonamben'ny firenena Mikambana momba ny ranomasina ny diany...

Manana adidy ny hanarina ny fiaraha-monina ny tsirairay ; ny rehetra rahateo dia samy voakasiky ny hodidina telozoron'ny fanabeazana. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia : Ny mpampianatra sy ny mpanabe, ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina, ary indrindra ny Mpianatra tenany. Efa taon-jato roa no nisian'ny finoana kristianina teto Madagasikara fa indrisy mbola ezaka goavana ny fampandalàna ny fahamarinana sy ny fametrahana ny fahaiza-mitarika... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...