Ny maha mpibanjina dia tsy miankina amin'ny maso fa amin'ny fo. Eo no idiran'ny vavaka, tahaka ny mason'ny finoana sy ny fitiavana, tahaka ny sento, sentom-pifandraisantsika amin'Andriamanitra. Manadio ny fo ny vavaka, rehefa madio ny fo dia mazava sy madio ny fomba fijery, mahita ny zavatra rehetra amin'ny fijery vaovao. ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy. Ny "Fankahatry" dia mitovitovy amin'ny lahabolana "Ampitsonteny na Vôlantô na Hainteny" fa ny miavaka kely an'iry voalohany dia izy miseho eo amin'ny fifampiresahan'ny tovolahy sy tovovavy mifamboraka fitia. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco