Ankalazaina izao 11 janoary izao i Masindahy Paulin d'Aquilée. Teraka teo anelanelan'ny taona 730 sy 740 tao Premariacco faritanin'i Udine i Paulin. Fanta-daza tamin'ny fahaizana sy ny fahalalana izy satria mpanoratra izy. I Alcuin dia nifidy azy ho mpampianatra ary ny Amperora Charlemagne dia niantso azy ho mpanolo-tsaina tao an-dapa indrindra ny amin'ny ara-pivavahana.
Rehefa mivavaka isika dia tahaka ny boka nositranina, tahaka an'i Bartime jamba nahazo fahiratana, Lazara izay efa maty ary nalevina tany am-pasana saingy nahazo ny fiainana vaovao avy amin'i Jesoa Kristy. Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco