• Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...

Ilain'ny tanora ny mianatra sy mifehy ny fiteny anglisy, indrindra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Tanora vitsivitsy no mijoro vavolombelona manondidina ny tontolon'ny fianarana teny anglisy. Tanora tovovay iray, Ramatoa kely Harifetra, mpampianatra ity taranja ity no mifampizara amintsika ny hasarobin'izany fahaizana teny anglisy izany sy ny toro-paika mba hitiavana sy hahaizana azy haingana.

“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)

Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katôlika.

Ho aminareo anie ny fiadanana!

  • Tsy natao hampizarazara na hifandrafiana ny tsy fitovian-kevitra, fa dingana iray hahafahana mampandroso, hoy ny FFKM...
  • Iray amin'ireo aretina mahazo ny voafonja ao Antanimora ny aretin-koditra lagaly, amin'izao andro mafana izao...
  • Nihena any amin'ny 50% ny vokatra letchis, ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo tamin'ity taona ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...