• Mampiantrano ny fihaonambe faha-33, filan-kevitry ny ministra ao amin'ny Africa Rice isika Malagasy mandritra ny 3 andro. Fihaonana iraisam-pirenena atao eto Antananarivo hatramin'ny rahampitso...
  • Nitsangana ny vovonana "Vonjeo ny fampianarana" ary nanao fanambaràna miaraka izy ireo omaly nilaza fa marary ny tontolon'ny fanabeazana eto Madagasikara...
  • Hotanterahana anio atsy Afrika atsimo ny fihaonana eo amin'i Barean'i Madagasikara sy ry zareo Tonizia. Lalao miverina tafiditra amin'ny fifanintsanana isam-bondrona ahafahana mandray anjara amin'ny CAN 2025...

  • Mampiantrano ny Fihaonambe faha-33-n'ny Filankevitry ny Minisitra ao amin'ny Africa Rice, isika Malagasy mandritra ny telo andro...
  • Mitaraina vokatry ny olana amin'ny famatsiana jiro, ireo mpandraharaha ao amin'ny SIM...
  • Nitsangana ny vovonana "Vonjeo ny fampianarana", ary nanao fanambarana miaraka izay milaza fa marary ny tontolon'ny fanabeazana eto Madagasikara...

  • Olona 16 namoy ny ainy, 10 hafa naratra nandritra ny lozan-dranomamy nitranga tany Belo-sur-Tsiribihina alina, nivory maika nandinika ny fepetra tokony ho raisina hisorohana ny loza ny manampahefana sy ny mpitandron'ny filaminana any an-toerana...
  • Hotanterahina ny 3 hatramin'ny 5 desambra 2024 izao ao amin'ny Katedraly Namahora-Morondava ny andiany faha-46 amin'ny kômity foibe FFKM...
  • Nitaky fanazavana momba ny nampiasan'ny tompon'andraikitra ny caisse école ho an'ireo sekoly ambaratonga fototra ao amin'ny Distrika Ikongo ireo ray aman-drenin'ny mpianatra any an-toerana...
  • Hiara hisakafo amin'ny mahatra miisa 1.300 ao Vatican mandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny mahantra amin'ny alahady 17 novambra 2024 izao i Papa François...

  • Mbola nametrahan'ireo Eveka namany ny fitokisany ka naveriny ho filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Manohy ny asa fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny andrimaso ny FFKM na tsy ho isan'ireo hisahana ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ny 11 desambra 2024, izao aza...
  • Trano 602 tafo no ravan'ny afo tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ivandrika, Distrika Farafangana, rava hatrany amin'ny 98% ny tanàna, maherin'ny 3.000 ireo tra-boina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...