♦ Nilaza hanolotra kandidà ihany koa ny Collectif an'ny Malagasy, tao aorian'ny fahavakisan'ny vondron'ny mpanohitra ho roa, ny herinandro teo... ♦ Nampifaly avanjana ny vahoakan'i Fianarantsoa ny UPAR any an-toerana omaly. Niteraka resa-be amin'ny tambajotran-tserasera ny fifamalian'ireo mpikambana teny ambiny sehatra... ♦ Niravona ny disadisa momba ny fizarana rano tany amin'ny Lemak'i Dabaraha hatramin'izay. Resaka fanararaotana pôlitika no nahatonga izany teo, raha ny fanazavan'ny mponina avy any an-toerana...

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)

Nomena tamin’ny alalan’i Môizy ny Lalàna.

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny eny amin’ny tany ambany,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro:
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra;
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.

Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro faha fito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 20, 1-3. 7-8. 12-17)

Nomena tamin’ny alalan’i Môizy ny Lalàna.

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 9. 10. 11

Ianao ry Tompo, no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Ny lalan’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy:
ny fo falifaliany;
ny baikon’ny Tompo mazava,
fanilo ho an’ny maso

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaran’ny Tompo marina,
samy rariny avokoa.

Irìna noho ny volamena,
ny volamena madio miavosa;
mamy noho ny tantely,
ny toho-tantely mitsonika.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 22-25)

Izahay mitory an’i Kristy voafantsika izay hadalana ho an’ny olombelona, fa fahendren’Andriamanitra ho an’izay voaantso.

Ry kristianina havana,
ny Jody mila famantarana;
ny Jentily mitady fahendrena;
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso,
na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra, dia mahery noho ny herin’ny olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)

Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.

Akaiky ny Pakan’ny Jody,
ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala
ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy,
dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly;
nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromailala:

“Esory eto ireto,
fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”.

Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:

Ny fitiavako ny tranonao no maharìtra ny aiko.

Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe:

“Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?”

Dia namaly i Jesoa nanao hoe:

“Ravao ity Tempoly ity,
fa hatsangako indray amin’ny hateloana”.

Ka hoy ny Jody:

“Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity
ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”.

Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany,
ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.
Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka,
dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy,
sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy,
fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mbola tsy levona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Eleanor. Tombanana hitondra rotsak'orana amin'iny morontsiraka atsinanana sy atsimo atsinanan'ny nosy izy, manomboka anio alatsinainy... ♦ Hiatrika ny Andron'ny Sekoly, ny mpianatra rehetra amin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratrarana zava-mahadomelina mahery vaika "cocaïne", 64 kilao sy 32 grama tany Toamasina. Olona telo no nosamborin'ny Pôlisy amin'izao raharaha izao. Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy izy ireo...

Efa hatramin'ny ela ny Eglizy katôlika no nandray anjara tamin'ny fisorohana ny fampiasana zava-mahadomelina, indrindra ho an'ny tanora. Ny olana ateraky ny zava-mahadomelina diamiantraika amin'ny olona maro, fianakaviana ary mpiara-monina ankehitriny. Tokony hiara-hiasa ireto andry ireto hisorohana ny fandraisana ny zava-mahadomelina : ny fianakaviana, ny sekoly, ny Fiangonana ary ny Fanjakàna... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...