♦ Nitondra fanazavana momba ilay fanovana ny fanomanana ireto antontan-taratasy ilaina amin'ny firotsahan-kofidiana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny eo anivon'ny CENI... ♦ Nampitandrina ireo rehetra manana fikasana hamboly korontana mandritra ny zotram-pifidianana kaominaly, ny mpitondra tenin'ny Governemanta. Tsy maintsy handray andraikitra amin'izany ny fitondram-panjakana, hoy izy... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faha-2 amin'ny Foaran'Analamanga, tanterahina eny amin'ny Kianjan'ny Barea nanomboka androany, ny vokatra vita malagasy...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
♦ Mikasa ny hamory ireo mpiara-dia aminy eny amin'ny Magro Tanjombato indray rahampitso ny Vovonana Firaisankina. Volaza ho anton'izany ny fandavana ny firotsahan-kofidian'Andriamatoa Ravalomanana Marc... ♦ Nitrangana fanendahana androany vao maraina teny akaikin'ny sekoly iray eny Andohatapenaka. Lasibatra tamin'izany ny mpivarotra iray eny amin'ny 67Ha... ♦ Isan'ireo horonan-tsary hahazo laka ao amin'ny Festival iraisam-pirenena momba ny horonan-tsary atao ao Lusaka manomboka androany, ny sangan'asan'i Ary-Misa Rakotobe...
♦ Antony iray mampihisatra ny fikarakarana ny taratasy amin'ny firotsahan-kofidiana ho Ben'ny Tanànana ny fahatapahan-jiro eny amin'ny biraom-panjakana. Voatery miverina amin'ny andro hafa ireo tsy mahandry ny fiverenan'ny jiro... ♦ Misy ny kolikoly eo anivon'ny orinasa JIRAMA, manoloana ny fividianana fitaovana fampidiran-drano, raha ny tatitra voarain'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Ambany ny tahan'ny fitiliana ny tsimokaretina VIH-Sida eto Madagasikara. Nampiseho fihetsika modely amin'izany fitiliana izany ny mpanao gazety...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco