♦ Efa nigadona tao amin'ny Paroasy Katedraly Namahora-Morondava omaly hariva tamin'ny 5 ora ny Mgr Martial Andrianandrainy sy ireo delegasiôna avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Misy ny antso avy amin'ny FFKM manoloana ny fotoam-bavaka eny amin'ny fidasiana Lapan'ny Tanàna Analakely, anio amin'ny 9 ora sy sasany maraina... ♦ Nafampàna ny tao Ambositra taorian'ny nahitàna an'i Larissa, izay tovovavikely hita faty rehefa nisy naka an-keriny... ♦ Ao anatin'ny asan'ny fikambanana action catholique isan'andro, any Burundi ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra...

♦ Mbola mitana ny heviny hatramin'izay ny antoko UNDD mikasika ny tokony hisian'ny fampihavanana eto amin'ny Firenena. Izay tapaka mandritry ny fikaonandoham-pirenena no rafitra tokony hajoro hoy Andriamatoa Manoro Régis... ♦ Manara-maso ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea any amin'ireo Foibem-panadinana any Faritra ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy... ♦ Nanao tatitra ampahibemaso tao Antsirabe momba ny fampiasana ny volam-panjakàna sy ny fitantanan-draharaha any amin'ny Kaominina ny Fitsaràna momba ny kaonty Antananarivo...

Andriamanitra dia fitiavana, ny fitiavana no fototry ny fiainan'ny olombelona. Tandindonin-doza ny ho avin'ny rehetra noho ny fiovan'ny rafi-piaraha-monina vokatry ny rivotra entin'ny tambazotran-tserasera izay manimba ny fifandraisana sy ny maha-olona (saina, fo, vatana, fanahy). Ny fanajana sy ny fifanajana no fefy hiarovana ny fiaraha-monina, izay miainga amin'ny fitiavana. Ndeha hosanatriavina ny hoe KARAVASI (KARAna - VAzaha - SInoa) no hany hampandroso ny firenentsika fa mba izay soa nomen-janahary an'i Madagasikara. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦Hihazo an'i Morondava izao maraina izao hanatitra an'i Mgr Andrianandrainy Martial, ny delegasiôna avy ao Antsirabe sy avy amin'ny Diôsezin'i Morondava rehefa avy noraisina tao amin'ny Cocathédrale Masindahy Zozefa Miandrivazo izy. Hohamasinina ho Eveka mpanampin'ity Diôsezy ity amin'ny alahady... ♦ Natokana ho androm-pisaonam-pirenena ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny fakàna an-keriny sy famonoana olona ny andron'ny zoma 24 jolay 2026, araka ny Didim-panjakàna.... ♦ Mila vitaina mialohan'ny faran'ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena hoy ny antoko FY-M...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...