Alahady fahaenina fankalazana ny Paka : Tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Miresaka ny "fitiavana" ny vaki-teny telo amin'ity alahady ity : fitiavana Andriamanitra, fitiavana no iainan'ny rehetra (ray, zanaka, mpianatra, samy olombelona). Ny fitiavana ny namana dia mifototra amin'ny fitiavan'i Jesoa antsika olombelona. Andriamanitra no fototry ny fitiavana...
♦ Nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety androany, isika teto Madagasikara. Teny amin'ny Havoria Anosy no nanaovana ny lanonana ôfisialy... ♦ Misy mamingana sahady amin'izao herinandro mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ny kandidà Solombavam-bahoaka laharaha faharoa, Augustin Rakotonirina, any amin'ny Distrikan'i Moramanga... ♦ Efa vonona ny kianjan'ny Makis Andohatapenaka, handray ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy, manomboka rahampitso...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...
♦ Niakatra laharana iray i Madagasikara, saingy miiba ny naotiny, araka ny tatitry ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety nataon'ny RSF... ♦ Voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notontosaina omaly ny Tale Jeneralin'ny orinasa Jirama... ♦ Hiditra amin'ny andiany fahafolo amin'ity taona ity ny hetsika ara-toekarena sy fizahan-tany iraisam-pirenena ITM...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco