Hafatr'i Kristy ny fifankatiavana : Didy vaovao no omeko anareo dia izao : Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Ny porofom-pitiavana aza ho an'i Jesoa Kristy dia ny famoizany ny Ainy. Manana hasina ny aina, koa aoka mba hanaja sy hiaro ny aina isika. Andrandraina ny fifamelan-keloka sy fiombonana afahana manavao tanteraka sy mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 19 jolay 2026 - Alahady faha-16 mandavantaona — A — Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Nahoana Andriamanitra no mamela ny ratsy hisy, raha tena mahery tokoa Izy nahoana mbola misy ny tsy rariny, nahoana no mbola misy ny zava-dratsy mampahory? Andriamanitra anefa dia tsy maika hanasazy fa maika hamonjy, ary mitsara amin'ny halemam-panahy izy. Ny olona tena mahery dia izay afaka mamela heloka ; ny famindram-po no tena porofo maha Andriamanitra an'Andriamanitra...

Ny meningite dia fivontosan'ny meninge, dia ireo fonon-koditra manarona ny atidoha sy ny tsokan-damosina. Matetika dia viriosy na bakteria no mahatonga azy io. Anisan'ny soritr'aretina mahazatra ny tazo, ny fanaintainan'ny loha mafy, ny hamafin'ny hatoka, ary ny fahatsapana tsy mahazaka hazavana. Ny aretina meningite dia azo tsaboina ary indrindra azo sorohina. Ny viriosin'ny kitrotro dia mety hiakatra ka hiteraka ny meningite, torak'izany koa ny donika sy ny kantsetsitra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Mankalaza ny faha-160 taonany amin'ity taona ity ny gazety malagasy voalohany. Natomboka omaly ny fankalazana. Maniry ny firaisan-kinan'ny samy mpanao gazety ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa... ♦ Voatendry ho ambasadaoron'i Madagasikara manana fahefana feno, solontena maharitra eo anivon'ny UNESCO, nandritry ny filan-kevitry ny ministra Ramatoa Christine Razanamahasoa... ♦ Haverina hiasa amin'ity taona 2026 ity ny Guichet Agricole ao Ankadinondry Sakay, Faritra Bongolava. Foto-drafitr'asa hanomezana ny tolotra fototra hanatsaràna ny asan'ny tantsaha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...