♦ Vinavinaina ho tanterahina amin'ny volana Marsa 2024 ny fifidianana ben'ny tanàna eto Madagasikara hoy ny mpampakanteny eo anivon'ny vaomieram-pirenena mahaleontena mikarakara ny fifidianana... ♦ Mandany ora telo anaty fitohanan'ny fifamoivoizana amina faritra maro ao an-drenivohitra sy ny manodidina ireo mpampiasa làlana raha ny fanadihadiana natao... ♦ Mankalaza ny faha-120 taona nijoroany ny Ankany fanarenana ireo zaza nania, eny amin'ny Fokontany Mandrosoa, Kaominina Anosiala, Distrika Ambohidratrimo... ♦ Sambany notanterahina tamin'ity taona ity ny kongresy momba ny fanabeazana katôlika ho an'ny Faritra Afrika-Andrefana...
Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 3-11)
Anaka, izao no ahafantarantsika,
fa mahalala an’i Jesoa isika,
dia raha mitandrina ny didiny isika.
Izay milaza ho mahalala Azy,
nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga,
ary tsy ao anatiny ny marina.
Fa izay mitandrina ny didiny,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa;
ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika.
Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy,
dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.
Ry malala,
tsy didy vaovao no soratako aminareo,
fa didy ela izay efa azonareo hatramin’ny voalohany:
ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.
Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo,
izay hita marina amin’i Kristy sy aminareo,
fa efa misava ny haizina,
ary miposaka sahady ny fahazavana marina.
Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana,
nefa mankahala ny rahalahiny,
dia mbola ao amin’ny haizina ihany.
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava,
ka tsy misy fanafintohinana ao aminy.
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao anatin’ny haizina
sy mandeha amin’ny maizina,
ka tsy mahalala izay halehany,
fa voajamban’ny haizina ny masony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 5b-6
Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao, ry manana aina!
Ny fisaorana
aoka hanakoako!
Isan’andro vaky dia torio:
itony vonjy nentiny lazao,
mba handre daholo
ny eran-tany.
Ny habakaba-manga dia nataony,
ka ny lapa masiny tazano,
fa mitemitra
ilay fahefany.
Aleloia. Aleloia.
Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22-35)
Rahefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ireo ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa
mba hatolotra amin’ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe:
“Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe:
masina ho an’ny Tompo”,
ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.
Ary indro,
nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema,
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely,
ary tao aminy ny Fanahy Masina
sady efa nanambaran’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny tempoly,
ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy
ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Tompo,
vao alefanao amim-piadanana
araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily
sady voninahitr’i Israely olonao.”
Dia gaga ny ray aman-drenin’ny zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna,
ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe:
“Indro, ity Zaza ity no voatendry
ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina,
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra,
— mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Tanjon'ny fandaharana ny hanentana ny rehetra mba hanana fahasalamana. Noresahina ny areti-mifindra mba hitandreman'ny rehetra satria ny fahasalaman'ny tsirairay no fototry ny fahasalaman'ny daholobe izay mety hampandringa ny fampandrosoana ny ankohonana sy ny firenena. Ny volana desambra dia isan'ny fotoana natao hanentenana ny olona rehetra mikasika ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo, indrindra ny SIDA. Entanina ny olona rehetra tsy handray, hihinana, hitsindrona zava-mahadomelina, tokony hanao ezaka ny tsirairay mba tsy hovoasarika amin'izany satria lafo ny fitsaboana hanalana ny olona iray eo ambany vahoan'ny zava-mahadomelina...
♦ Hamory ireo hery velona sy fikambanana isan-tsokajiny eny amin'ny Live Hotel Andavamamba manomboka androany ary hitohy rahampitso ny Fikambanan'ny ray aman-drenin'ny Foko Malagasy... ♦ Sazy mihatona 2 taona no azon'ny sekretera jeneralin'ny Antoko Tiako I Madagasikara Rina Randriamasinoro, amin'ny 19 desambra ny didim-pitsarana ho an'ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsy milefitra amin'ireo manana heritreritra hanakorotana mandritra ny lanonam-pianianan'ny filoha Rajoelina Andry ny sabotsy ho avy izao ny mpitandron'ny filaminana... ♦ Isany lasibatra amin'ny fanafihana ataon'ny Israeliana ao amin'ny faritra Gaza ihany ny Eglizy Katôlika any an-toerana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco