• Hanamarika ny fetin'ny fanafahana ny Malagasy, rahampitso 14 ôktôbra. Mijanona ho andro fiasana anefa ny rahampitso, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Primatiora... • Naneho hevitra momba ny fanadihadiana natao amin'ny fampiharana ny fanomezana taratasy miantoka ny maha ara-biolojia ny vokatra ara-pamokarana ho an'ny tsena eto anatiny ny mpisehatra androany... • Mandray anjara amin'ny asa fanadiovana ny tanana, ho fiarovana ny tontolo iainana eto an-drenivohitra, ny Orange Madagasikara. Misy ny hetsika “Tanana madio”, tanterahana nanomboka ny 8 ôktôbra lasa teo, hatramin'ny androany, tamin'ny tanana samihafa...

♦ Mandray ny fanamarihana ny faha-68 taonan'ny Repoblika voalohany ny any Antsohihy manomboka ny maraina teo. Efa any an-toerana manatrika hetsi-pankalazana ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Mbola resa-be fotsiny hatramin'izao ny ady amin'ny kolikoly fa tsy misy fanatanterahana, hoy ny  solombavambahoaka Antoine Rajerison. Nambarany fa ny mpitondra no tokony ohatra voalohany amin'izany... ♦ Hikatona amin'ny 16 oktobra izao ny fanjonoana sy fivarotana drakaka manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madagasikara. Miantso ireo mpandraharaha handray fepetra amin'ny tahiriny ny Minisiteran'ny jono sy ny toe-karena...

Ny "andriana" avy amin'ny teny sanscrite midika hoe "ambony" na hoe "voalohany". Ny maha andriana dia tsy mifototra loatra amin'ny volon-koditra na toetry ny volo, fa amin'ny toetra amam-panahy kosa; ny andriana dia olona ambony manana ny hajany sy fahefana, iankinan'ny olona maro, to teny. Ny nipoiran'ny andriana dia avy any India, nanodidina ny taonjato faha-XVI. Tamin'ny taonjato faha-XVIII no nidiran'ny Andriana teto Madagasikara tany amin'ny faritr'i Maroantsetra. Ny faritra sy foko maro eto Madagasikara dia samy ahitana andriana. Ankehitriny dia amin'ny alalan'ny fanomezana mari-boninahitra no hanomezana haja olona...

♦ Nolavina indray ny fangatahan'Andriamatoa Mamy Ravatomanga fahafahana vonjimaika amin'ny fidirana am-ponja atsy amin'ny Nosy Maorisy. Anisan'ny nambaran'ny BRC nandavana izany ny ahiahy hitsoaka... ♦ Hanomboka anio ny fanamarihana ny faha-68 taonan'ny Repoblika voalohany any Antsohihy, mialohan'ny fidinan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika any an-toerana, rahampitso 14 oktobra... ♦ Namoaka fehin-kevitra iraisana ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena sy ny vovonan'ny sekoly tsy miankina momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao, taorian'ny dinika niarahana omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...