Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana. Hira misy miolakolaka sy miangolangola mahaontsaontsa ; fahatsiarovana sy fiventesana an-kira ny embona sy alahelo ary hanina ny andro fahiny, mety ho fifaliana izany na alahelo atamberin'ny tadidy. Ny kalo madinika dia sombitsombin-tantara vetsoina, hirain'olon-drery, mampiseho alahelo sy embona ary hanina. Tsara ny manamarika fa ny karazan-kira mientanentana sy mampandihindihy ary tsy manetsika ny fo ho ontsaontsa dia tsy mba kalo na kalokalo...
♦ Nahemotra amin'ny 2 febroary izao indray ny fotoam-pitsaràna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga, raha tokony omaly. Mbola tazomina hatrany ao amin'ny fonjan'i Melrose hatrany ity mpandraharaha malagasy ity... ♦ Nitombo ny vola niditra tamin'ireo kaominina nampiharana fomba iadiana amin'ny kolikoly niarahan'ny BIANCO. Nitombo 100% izany ho an'ny Kaominina Fianarantsoa, ary 90% ho an'i Tsiroanomandidy... ♦ Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana eo anivon'ny tafika Malagasy, raha tiana ny hanana tafika matihanina. Ny tsy fahampian'ny fitaovana no maha osa azy. Nosokafana omaly ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tafika...
♦ Feno 17 taona androany ilay alatsinainy mainty, fandoröna haino aman-jery sy fandrobàna tranom-barotra lehibe tao an-drenivohitra. Tsy hita ny marina momba iny raharaha iny hatramin'izao... ♦ Hevitra diso voizina ny filazàna fa olana ara-drafitra no tsy nampandroso ny firenena hoy Randriamampionona Joseph Martin, mpitarika ny antoko RTM... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry tampoka, androany maraina, i Faniry Razafimanantany, mpanao gazety sy mpanao pôlitika eo anivon'ny antoko TIM... ♦ Nitrangàna fanafihana mitam-piadiana tao anatin'ny kianja iray fanaovam-baolina any atsinanan'i Mexique...
♦ Nanamafy ny fitakiana fandravàna ny andrim-panjakàna rehetra sy ny Lalam-panorenana ny vovonana pôlitika TAFITA ny sabotsy teo. Mila esorina anaty Fanjakàna ireo olon'ny fitondràna teo aloha, ho izy ireo... ♦ Vaky omaly tolak'andro ny tohodranon'i Tologoina eny amin'ny kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Atahorana ho vaky ihany koa ny fefiloha, ka tantsaha hatrany amin'ny 20.000 isa no tandindomin-doza amin'izany... ♦ Nitombo 20 isa indray ireo trangan'aretina voamarina fa nendran-drajako eto Madagasikara. Tafakatra 180 izany izao ny tranga voamarina fa MPox manerana ny nosy amin'ireo tranga rehetra mitotaly 475 hita...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco