♦ Tanterahina amin'ity herinandro ity ny fanadinam-panjakàna hahazoana ny "Certificat d'Aptitude Professionnelle", hitohy hatramin'ny alakamisy 16 jolay izao. Miisa 1.397 ireo mpiadina miatraka ny CAP amin'ity taona ity... ♦ Notoloran'i Etazonia fanampiana ara-pahasalamana mitentina 2,2 tapitrisa Dolara i Madagasikara. Isan'izany ny lay misy odimoka, fitaovana ara-pahasalamana sy labaoratoara ary fitaovana Starlink miisa 33... ♦ Namaly ireo nanangana "comité ad'hoc" izay nilaza ny hitantana sy hanala azy amin'ny andraikiny ny Federasiôna karate malagasy... ♦ 38.000 mahery ireo mpifindramonina nompodiana niala tao Afrika-Atsimo...

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

♦ Tsy tokony hamoaka izay vaovao rehetra miparitaka anaty tambazotra serasera ny mpanao gazety, raha tena matihanina, hoy ny talen'ny serasera eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Mahazo vahana ny halatra tariby mitondra ny herinaratry ny JIRAMA any Antsirabe. Maherin'ny 7.000 metatra no nisy nangalatra tany an-toerana hatramin'ny volana janoary 2026 hatramin'izao.. ♦ Ny fametrahana rafitra matanjaka eny ifotony ihany no hampahomby ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana, izay nahazo vahana tato ho ato saika manerana ny nosy, indrindra ny hala-jaza sy vono olona hoy ny Fivato...

♦ Hiakatra fampanoavana anio alatsinainy 13 jolay 2026, ilay olona nisoloky ho mpanolontsaina ny Filohan'ny Fanavaozana, izay voasambotra ary nanaovana fanadihadiana teny amin'ny sampana fikarohana eloka be vava an'ny zandarimariam-pirenena Fiadanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Ho vovaha tsy ho ela ny olana amin'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, izay simban'ny rivodoza Gezani dimy volana lasa izay. Fitaovana maromaro no efa tonga any an-toerana... ♦ Saika mitaky ny hisian'ny fifanarahana pôlitika hametrahana ny satan'ny tetezamita ny antoko pôlitika sy ny vovonana samihafa eto Madagasikara ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...